mardi 1 avril 2014

Talata 01 Aprily 2014 - II Mpa 2 : 15 - 22

Mba nikapoka ny rano koa i Elisà, dia nisaraka roa izany ary niampita izy. 15Raha nahita izay nataon'i Elisà avy teny lavidavitra teny ny andia-mpaminanin'i Jerikao, dia nanao hoe: «Efa mipetraka amin'i Elisà ny fanahin'i Elià.» Ary lasa nitsena an'i Elisà ireo ka niankohoka nitehi-tany teo anatrehany, 
 16ary nanao taminy hoe:
–Manana lehilahy maherifo dimampolo izahay mpanomponao; koa aoka ireo handeha hitady ity mpampianatrao, fandrao naingain'ny Fanahin'ny TOMPO izy, ka nazerany any an-tendrombohitra na any an-dohasaha any.
 
Fa notenenin'i Elisà ny andia-mpaminany mba tsy haniraka. 17Nefa mbola nikiry mafy izy, ka farany dia nanaiky ihany i Elisà. Dia naniraka ireto maherifo dimampolo lahy izy mba hitady an'i Elià nandritra ny telo andro nefa tsy nahita azy. 
 
 18Mbola tao Jerikao ihany i Elisà no tafaverina ireo ka nitenenany hoe:
–Tsy efa nilazako ve ianareo mba tsy handeha hitady azy?
 
19Ary hoy ny mponin'i Jerikao tamin'i Elisà:
–Araka izao ahitanao azy izao, tompoko, dia tsara toerana ity tanàna ity; saingy ratsy ny rano ary tsy mahavokatra ny tany.
 
20Dia hoy i Elisà hoe:
–Itondray sira amin'ny lovia vaovao aho.
 
Dia nitondrana izany izy. 21Ary niainga nankany amin'ilay loharano i Elisà, dia nanipy sira tao sady niteny hoe:
–Izao no lazain'ny TOMPO: «Efa nodioviko ity rano ity, ka tsy hahatonga fahafatesana na tsy fahavokarana intsony izy.»
 
22Koa dia nitoetra ho madio mandraka ankehitriny ny rano araka ny nambaran'i Elisà.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12