1Inona àry no holazaintsika? Hitoetra ao amin'ny fahotana ve isika mba hitomboan'ny fahasoavana? 2Sanatria izany! Isika izay efa maty raha ny amin'ny fahotana, hataontsika ahoana no mbola ho velona ao amin'ny fahotana ihany? 3Sa tsy fantatrareo fa isika rehetra izay natao batisa* mba ho tafaray amin'i Kristy Jesoa dia natao batisa mba hiombona amin'ny fahafatesany? 4Koa
tamin'ny alalan'ny batisa dia niombona amin'ny fahafatesan'i Kristy
Jesoa isika ary niara-nalevina taminy, mba ho tahaka ny nananganana an'i
Jesoa ho velona avy tany amin'ny maty noho ny herin'Andriamanitra Ray
be voninahitra no hizorantsika koa amin'ny fiainam-baovao.
5Koa raha
fahafatesana mifanahaka amin'ny an'i Kristy no nampiraisana antsika
aminy, dia fitsanganan-ko velona mifanahaka amin'ny Azy koa no
hampiraisana antsika aminy. 6Fantatsika
fa ny maha olona antsika taloha dia efa niara-novonoina tamin'i Kristy
teo amin'ny hazofijaliana, mba ho levona ny tenantsika gejain'ny
fahotana ka tsy ho mpanompon'ny fahotana intsony isika; 7satria izay maty dia afaka amin'ny fangejàn'ny fahotana.