jeudi 16 juillet 2015

Alakamisy 16 Jolay 2015 - Mpit 6 : 1 - 18

1Ary nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO indray ny Israelita ka natolotry ny TOMPO ho eo an-tanan'ny Midianita nandritra ny fito taona. 2Ary nahery vaika tamin'ny Israelita loatra ny famelezan'ny Midianita; koa noho ny tahony azy dia nanamboatra lalan-kizo sy zohy fierena ary toerana sarotra anihina tany an-tendrombohitra ny Israelita. 3Fa isaky ny avy nanao famafazam-boa ny sahany ny Israelita, dia tonga nanafika ny Midianita niaraka tamin'ny Hamalekita sy ireo mpifindrafindra lasy avy any atsinanana. 4Nitoby teo amin'ny sahan'ny Israelita ireny ka nanimba ny vokatry ny taniny hatrany Gazà, ary tsy nisy zavatra navelany hohanin'ny Israelita, tsy nisy navelany ho azy na ondry aman'osy na omby na boriky. 5Nifindrafindra niaraka tamin'ny biby fiompiny sy ny lainy ireny sady toy ny valala no fiaviny; fa maro izy mbamin'ny ramevany ka tsy hita isa. Niditra tamin'ny tany izy mba handrava azy; 6ary nahantra loatra ny Israelita noho ny nafitsoky ny Midianita, ka niantso vonjy tamin'ny TOMPO.

7Rehefa nitaraina tamin'ny TOMPO ny Israelita mba hanafaka azy amin'ny Midianita, 8dia nanirahany mpaminany* hiteny aminy hoe:
–Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: «Izaho no nitondra anareo niala tany Ejipta sy namoaka anareo tao amin'ny toerana nanandevozana anareo. 9Izaho no nanafaka anareo teo am-pelatanan'ny Ejiptianina sy izay rehetra nampahory anareo. Noroahiko ny fahavalonareo arakaraky ny nandrosoanareo ka nomeko anareo ny taniny. 10Ary nambarako taminareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Ka tsy tokony hatahoranareo ny andriamanitry ny Amôrita* eo amin'ny tany izay onenanareo nefa tsy nihaino Ahy ianareo.»

11Ary tonga tao an-tanàna Hôfrà ilay anjeli*n'ny TOMPO ka nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta izay an'i Jôasy lehilahy anisan'ny tarik'i Abihezera. I Gidehôna zanakalahin'i Jôasy tamin'izay dia teo am-pivelezam-bary tao amin'ny famiazam-boaloboka mba tsy ho hitan'ny Midianita.

12Ary nisehoan'ilay anjelin'ny TOMPO izy ka nilazany hoe:
–Ny TOMPO no momba anao, ry ilay mpiady mahery fo!

13Fa novalian'i Gidehôna hoe:
–Azafady, tompoko! Raha momba anay ny TOMPO, nahoana no iharan'izao loza rehetra izao izahay? Aiza avokoa ireo zava-mahagaga notantarain'ny razanay fa nataon'ny TOMPO fony Izy namoaka azy ireny avy tany Ejipta? Fa ankehitriny efa nanary anay ny TOMPO, ka nanolotra anay eo an-tanan'ny Midianita.

14Dia nitodika nijery azy ny TOMPO ka niteny taminy hoe:
–Mandehàna amin'izao herinao izao, ka afaho teo am-pelatanan'ny Midianita ny Israelita, fa Izaho no naniraka anao.

15Dia novalian'i Gidehôna hoe:
–Indrisy, Tompo ô, ahoana no ahazoako mamonjy an'i Israely? Kanefa ny fianakaviako no osa indrindra amin'ny fokon'i Manase ary izaho no tanora indrindra ao an-tranon'ny raiko.

16Fa hoy kosa ny TOMPO taminy:
–Homba anao Aho, ka toy ny famelezana olona iray monja no hamelezanao ny Midianita.

17Dia namaly Azy i Gidehôna hoe:
–Raha sitrakao àry, dia mba omeo famantarana aho fa Ianao tokoa no miteny amiko. 18Aoka mba tsy hiala eto Ianao mandra-piveriko mitondra fanatitra izay tiako hatolotra eto anatrehanao.

Ka hoy ny TOMPO hoe:
–Hijanona eto Aho mandra-piverinao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12