vendredi 24 juillet 2015

Zoma 24 Jolay 2015 - II Pet 3 : 11 - 18

11Koa raha ho levona toy izany àry izao rehetra izao, dia ho olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondrantena masina sy ny firaiketam-po amin'Andriamanitra? 12Sady andrasanareo no hafainganinareo ny fiavian'ilay andron'Andriamanitra, izay andro hahamay ny habakabaka sy hahalevona azy ary hanempoan'ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy! 13Kanefa isika, araka ny fampanantenàn'Andriamanitra, dia miandry ny habakabaka vaovao sy tany vaovao izay honenan'ny fahamarinana soritan'Andriamanitra.

14Koa eo am-piandrasana izany, ry hava-malala, dia miezaha mafy mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary hihavana tsara no hahitan'ny Tompo anareo. 15Hevero fa ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ho famonjena anareo, toy ny voasoratr'i Paoly hava-malalantsika taminareo araka ny fahendrena nomen'Andriamanitra azy. 16Toy izany koa no ataony ao amin'ny taratasiny rehetra izay itenenany momba izany zavatra izany; amin'ireny taratasiny ireny anefa dia misy zavatra saro-pantarina izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, toy ny ataony rahateo amin'ny teny hafa raketin'ny Soratra Masina*, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.

17Ianareo kosa, ry hava-malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo; koa mitandrema fandrao voataonan'ny hevi-dison'ireo ratsy fanahy, ka hiala amin'izay iorenanareo. 18Fa mitomboa fahasoavana sy fahalalana an'i Jesoa Kristy* Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amen*.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12