mercredi 8 juillet 2015

Alarobia 08 Jolay 2015 - Asa 12 : 1 - 10

1Tamin'izany fotoana izany, dia nasain'i Herôda* mpanjaka nosamborina ny olona sasantsasany anisan'ny Fiangonana mba hampahorîna. 2Novonoiny tamin'ny sabatra i Jakôba rahalahin'i Jôhany; 3ka nony hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nosamboriny koa i Petera. (Andro fankalazana ny Azima* indrindra tamin'izay.) 4Rehefa voasambotr'i Herôda i Petera, dia nataony am-ponja; andia-miaramila efatra, misy miaramila efatra avy, no nasain'ity mpanjaka niandraikitra ny fiambenana azy. Nokasain'i Herôda hotsaraina imasom-bahoaka manko izy aorian'ny Paska*. 5Voatana tao am-ponja àry i Petera, fa ny Fiangonana kosa nivavaka mafy tamin'Andriamanitra ho azy.

6Ny alina mialoha ny hitsaran'i Herôda* azy ampahibemaso, dia natory teo anelanelana miaramila roa lahy i Petera. Voafatotra gadra vy anankiroa izy, ary teo am-baravaran'ny fonja dia efa nasiana mpiambina. 7Dia indro nisy anjelin*'ny Tompo tonga teo, ary namirapiratry ny hazavana tao amin'ilay efitry ny fonja.

Notohinin'ilay anjely teo amin'ny tehezany i Petera, dia nofohaziny ka nataony hoe:
–Mitsangàna faingana!

Nilatsaka ho azy ny gadra tamin'ny tanan'i Petera. 8Dia hoy ilay anjely taminy:
–Misikîna ary anaovy ny kapa.

Dia nataon'i Petera izany. Ary hoy koa ilay anjely taminy:
–Tafio ny lambanao ary manaraha ahy.

9Dia niala tao am-ponja nanaraka an'ilay anjely i Petera. Saingy tsy fantany ho zavatra tena marina izay nataon'ny anjely fa noheveriny ho fahitana fotsiny. 10Nony efa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy ireo, dia tonga teo amin'ny vavahady vy mahazo ny lalana ho any an-tanàna. Nivoha nidanadana ho azy ilay vavahady ka dia tafavoaka soa aman-tsara izy ireo. Nizotra tamin'izay lalana anankiray izay izy ireo, ary dia nilaozan'ny anjely tampoka i Petera.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12