vendredi 3 juillet 2015

Zoma 03 Jolay 2015 - Eks 3 : 1 - 12

1Niandry ny ondrin'i Jetrao rafozany, mpisorona tao Midiana i Mosesy. Indray andro, rehefa avy nitondra ny ondry aman'osy tany ankoatra ny taniefitra izy, dia tonga tao Hôreba* tendrombohitr'Andriamanitra. 2Tao izy no nisehoan'ny anjeli*n'ny TOMPO tanaty lelafo teo afovoan'ny roimemy anankiray. Hitan'i Mosesy fa mirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nisy nahalevonana. 3Dia tapa-kevitra hanatona i Mosesy mba hizaha io fisehoana mahagaga io hahalalany izay antony tsy ahalevonan'ny roimemy.

4Rehefa hitan'ny TOMPO fa nanatona mba hizaha i Mosesy, dia tao afovoan'ny roimemy Izy no niantso azy nanao hoe:
–Ry Mosesy! Ry Mosesy!

Ka hoy ny navaliny Azy:
–Inty aho.

5Dia hoy ny TOMPO hoe:
–Aza manatona ny roimemy! Esory ny kapa amin'ny tongotrao fa tany masina ny toerana ijoroanao. 6Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.
Dia nisaron-tava i Mosesy fa natahotra ny hijery an'Andriamanitra.

7Ary hoy ny TOMPO hoe:
–Efa hitako tokoa ny fahorian'ny vahoakako any Ejipta ary efa reko ny fitarainany noho ny famelezan'ireo mpampahory azy; eny, fantatro ny fijaliany. 8Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin'ny fahefàn'ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin'ny tany Ejipta mba ho any amin'ny tany tsara sy midadasika, any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita* sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita. 9Ankehitriny dia efa tonga eto amiko ny fitarainan'ny Israelita, ary efa hitako koa ny fahoriana izay ampijalian'ny Ejiptianina azy. 10Koa izao ankehitriny izao dia irahiko ho any amin'ny Farao* ianao. Mandehana, avoahy hiala avy any Ejipta ny Israelita vahoakako.

11Fa hoy i Mosesy tamin'Andriamanitra:
–Zinona moa aho no hankany amin'ny Farao* ka hamoaka ny Israelita hiala avy any Ejipta?

12Ary hoy Andriamanitra hoe:
–Homba anao tokoa Aho; ary izao no porofo fa Izaho no naniraka anao: rehefa avy namoaka ny vahoaka israelita avy tany Ejipta ianao, dia hanao fanompoam-pivavahana amiko eto amin'ity tendrombohitra ity ianareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12