samedi 18 juillet 2015

Sabotsy 18 Jolay 2015 - Sal 40 : 1 - 10

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Salamo nataon'i Davida.

2Niandry ny Tompo am-paharetana aho
ka niondrehany ary nohenoiny taraina;
3nosintoniny avy tao an-davaka lalina aho,
nakariny avy tao amin'ny fota-mandrevo;
ny tongotro najorony tambony vatolampy
ka indro azo antoka sy matotra ny diako.
4Nasiany hira vaovao teo am-bavako,
dia hira fiderana an'Andriamanitsika!
Maro tokoa no hahita izany,
ka hanaja sy hatoky ny TOMPO.
5Sambatra ny olona manao ny TOMPO ho tokiny
ka tsy mba mirona velively amin'ny sampy
na miandany amin'ny mpanompo andriamani-tsiizy.

6TOMPO Andriamanitro ô, maro tokoa
ny zava-mahagaga izay nataonao;
ka tsy misy azo ampitahaina aminao!
Ary ny hevitra anasoavanao anay
dia maro loatra ka tsy tambo isaina,
tsy ary ho voatanisako na ho voalazako.
7Nampahafantarinao ahy tsara tokoa
fa tsy sitrakao ny sorona* amam-panatitra;
tsy ilainao ny sorona* dorana manontolo
sy ny sorona fanalana ny ota.
8Ka hoy aho hoe: «Inty aho tamy!
Ao amin'ny bokin'ny Lalàna no ahitako
fa voasoratra izay tokony hataoko.»
9Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitro ô,
eny, ny hanao ny sitraponao no sitrako;
ary ny lalànanao* dia ato anatin'ny foko.
10Ny vahoakanao tafangona maro no hilazako
vaovao mahafaly ny amin'ny fanafahanao.
Indro tsy hangina mihitsy aho,
ary fantatrao izany, ry TOMPO ô!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12