mercredi 15 juillet 2015

Alarobia 15 Jolay 2015 - Asa 9 : 1 - 19

1Tamin'izay i Saoly dia tsy nanampo afa-tsy ny handrahona sy ny handripaka ny mpianatry* ny Tompo. Nanatona ny mpisorombe izy, 2ary nangataka taratasy hahazoany miditra amin'ireo sinagôga any Damasy: ny nokendreny dia ny hamatotra sy hitondra mankatỳ Jerosalema izay olona tratrany manaraka ny lalana nosoritan'ny Tompo, na lahy na vavy.

3Ary raha mbola nizotra nankany Damasy ny diany, ka mby teo akaikin'ny tanàna, dia nisy hazavana avy tany an-danitra, nanelatrelatra tampoka nanodidina azy.

4Niankarapoka tamin'ny tany i Saoly sady nandre feo nanao taminy hoe:
–Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?

5Dia hoy i Saoly:
–Iza moa Ianao, Tompoko?

Ary ilay feo namaly hoe:
–Izaho no i Jesoa, Ilay enjehinao. 6Fa mitsangàna, mankanesa ao an-tanàna, dia holazaina aminao izay tokony hataonao.

7Tafatsatoka tsy nahateny tsy nahavolana ireo olona mpiara-dia amin'i Saoly; reny tokoa ny feo, nefa tsy nisy olona hitany. 8Dia nitsangana i Saoly, saingy tsy nahita na inona na inona, na dia nisokatra aza ny masony; hany ka olona no nitantana azy hankao Damasy. 9Tsy nahita izy nandritra ny telo andro sady tsy nihinana no tsy nisotro.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12