dimanche 18 juin 2017

Alahady 18 Jona 2017 - Efe 1 : 7 - 14

7Ny ra nafoin-Janany no nahazoantsika ny fanavotana, dia ny famelana ny hadisoantsika#1.7 Ampit Kôl 1.14.. Izany no nanehoan'Andriamanitra ny harem-pahasoavany, 8izay natosany be dia be tamintsika ka nahazoantsika fahendrena amam-pahalalana feno. 9Dia nampahafantarin'Andriamanitra antsika ilay tsiambaratelon'ny sitrapony, araka ny safidy noheveriny hotontosaina ao amin'ny Zanany. 10Eny, hotanterahiny mandra-pahatongan'ny fotoanandro farany izany tsiambaratelo izany: dia ny hampivondrona ny zavatra rehetra, ny any an-danitra sy ny eto an-tany, ao amin'i Kristy Filoha tokana.

11Tafaray amin'i Kristy izahay ka tonga anjara lovan'Andriamanitra#1.11 izahay: izany hoe izahay Jiosy tonga kristianina; jereo koa 2.3. –tonga anjara lovan'Andriamanitra: dkt hafa nandray ny anjara lovanay (ahatsiarovana ny nizarazaran'ny vahoaka Israely ny tany nampanantenaina, izay samy nananany anjara avy, jereo Jos 13–19).; satria natokany rahateo izahay, fa izany no fandaharan'Ilay manao ny zavatra rehetra araka izay efa nokasain'ny sitrapony. 12Hideranay an'Andriamanitra be voninahitra anie izany, satria izahay no nanantena voalohany an'i Kristy.

13Tafaray amin'i Kristy koa ianareo, satria efa renareo ilay hafatra marim-pototra, izany hoe ny Vaovao Mahafaly* izay nitondra ny famonjena taminareo, ary efa ninoanareo i Kristy. Ka dia nasiana tombokase maha fananan'Andriamanitra ianareo, tamin'ny nanomezana anareo ny Fanahy Masina Izay nampanantenaina. 14Io Fanahy Masina io no antoka hahazoantsika ny lova natokan'Andriamanitra ho an'ny vahoakany*, mba hahatanteraka ny fanavotana ireo olona natao mba ho fananan'Andriamanitra, hiderantsika ny voninahitr'Andriamanitra izany!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12