jeudi 15 juin 2017

Alakamisy 15 Jona 2017 - Jak 4 : 4 - 10

4Olona mivadika amin'Andriamanitra ianareo! Tsy fantatrareo ve fa izay misakaiza amin'izao tontolo izao dia fahavalon'Andriamanitra? Koa na iza na iza te ho sakaizan'izao tontolo izao, dia mampahatonga ny tenany ho fahavalon'Andriamanitra. 5Aza heverinareo fa tsy misy antony ny tenin'ny Soratra Masina* hoe: «Feno faniriana mirehidrehitra ny fanahy izay napetrak'Andriamanitra ao anatintsika#4.5 Feno... anatintsika: dkt hafa Ilay Fanahy Masina izay namponenin'Andriamanitra ao anatintsika dia tena saropiaro antsika na hoe Mahasaropiaro an'Andriamanitra tokoa ny fanahy napetrany ao anatintsika. Io rijan-teny io dia tsy hita na ao amin'ny Test. T. na ao amin'ny Test. V..» 6Manome antsika fahasoavana lehibe lavitra anefa Andriamanitra, satria hoy ny Soratra Masina: «Toherin'Andriamanitra ny mpiavonavona, fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena#4.6 Ohab 3.34, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..» 7Koa maneke an'Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly*, dia handositra lavitra anareo izy. 8Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy#4.8 Ampit Za 1.3; Mal 3.7.. Sasao ny tananareo, ry mpanota; ary diovy ny fonareo, ry mpiroa fo. 9Malahelova, mitomania ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo ary hody alahelo ny fifalianareo. 10Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12