lundi 5 juin 2017

Alatsinainy 05 Jona 2017 - I Kor 2 : 6 - 11

6Fahendrena no torînay amin'ny kristianina efa matotra ara-panahy. Saingy tsy ilay fahendren'izao tontolo izao* na ny an'ireo mpifehy an'izao tontolo izao, izay olona voalahatra ho ringana. 7Fa ny torînay kosa dia fahendrena miafina ao amin'Andriamanitra: fahendrena izay takona amin'ny olombelona, kanefa voatendrin'Andriamanitra talohan'ny nisian'izao tontolo izao mba hahazoantsika voninahitra. 8Tsy nisy nahafantatra izany fahendrena izany ireo mpifehy an'izao tontolo izao; satria raha mba nahafantatra izany izy ireo, dia tsy ho nampanombo ny Tompo be voninahitra teo amin'ny hazofijaliana. 9Saingy izao no voalazan'ny Soratra Masina*:

«Zavatra tsy mbola hitan'olona maso na ren'ny sofiny
na tafiditra tao am-pony akory,
no efa nomanin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy#2.9 Jereo Is 64.3; 52.15..»

10Izahay kosa no nanehoan'Andriamanitra izany tsiambaratelo izany tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina. Fa ny Fanahy Masina dia afaka mandinika ny zavatra rehetra, na dia izay lalina indrindra ao amin'Andriamanitra aza#2.10 kosa: misy stf sasany ahitana hoe manko. . 11Raha samy olombelona izao, dia ny fanahin'ny olona ao anatiny ao ihany no mahalala izao ao am-pon'ilay olona; ary toy izany koa, ny Fanahin'Andriamanitra ihany no mahafantatra izay ao am-pon'Andriamanitra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12