vendredi 30 juin 2017

Zoma 30 Jona 2017 - Gal 5 : 16 - 26

16Izao kosa no teniko: mandehana araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina ianareo, dia tsy hahatanteraka ny fanirian'ny maha olona mpanota. 17Fa ny maha olona mpanota dia manam-paniriana manohitra ny fanirian'ny Fanahy Masina; ary ny Fanahy Masina dia manam-paniriana manohitra ny maha olona mpanota: mifanohitra izy roroa, hany ka tsy izay zavatra sitrakareo no ataonareo#5.17 Ampit Rm 7.14-23.. 18Kanefa raha tarihin'ny Fanahy Masina ianareo, dia tsy fehezin'ny lalàna intsony. 19Fa miharihary ny asan'ny maha olona mpanota, dia ireto: fijangajangana, fahalotoana, fihetsika tsy maotina, 20fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fifankahalana, adiady, fahatezerana, fiafonafonana, fifandrafiana, fisarahana, fitokotokoana, 21fialonana, fidorohana, fihinanam-be loatra, sy ny mitovy amin'izany. Ary lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao toy izany dia tsy hanana anjara amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra*.

22Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky, 23fahalemem-panahy, fahononam-po: tsy misy lalàna manohitra ny toy izany. 24Ireo voatokana ho an'i Kristy Jesoa dia efa nanombo teo amin'ny hazofijaliana ilay maha olona mpanota azy ireo mbamin'ny filàndratsiny amam-paniriany. 25Raha ny Fanahy Masina tokoa no manome aina antsika, dia aoka hizotra araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina koa isika; 26fa aoka tsy ho be rehaka foana hifampihaika sy hifampialona.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12