mercredi 21 juin 2017

Alarobia 21 Jona 2017 - Zak 4 : 1 - 7

1Ary niverina ilay anjely* niresaka tamiko, ka namoha ahy toy ny famoha olona matory 2sady nanontany ahy hoe:
–Inona no hitanao?

Dia hoy aho namaly:
–Fitoeran-jiro volamena misy fitahirizan-diloilo eo an-tampony no hitako. Fanaovan-jiro fito no eo amin'izany fitoeran-jiro izany; ary lahin-jiro fito kosa no eo amin'ny fanaovan-jiro tsirairay avy.

3Misy hazo ôliva roa eo anilan'ilay fitahirizan-diloilo, ka ny anankiray eo an-kavanany, ary ny anankiray eo an-kaviany.

4Tamin'izay ilay anjely niresaka tamiko dia nanontaniako hoe:
–Inona moa no dikan'ireo, Tompoko?

5Ka hoy izy tamiko:
–Tsy fantatrao va ny dikan'ireo?

Fa novaliako hoe:
–Tsia, Tompoko.

6aDia nohazavainy tamiko àry#4.6 Ny and 6b-10a, momba an'i Zerobabela, dia manapaka ny valinteny lazaina ao amin'ny and 6a. Nafindra aorian'ny and 14 izany. 10bfa ireo jiro fito ireo no mason'ny TOMPO izay mahita ny zavatra rehetra ambonin'ny tany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12