jeudi 22 août 2019

Alakamisy 22 Aogositra 2019 - Isa 54 : 10 - 17

10Fa na dia hifindra hiala aza ny tendrombohitra
ary na dia hihozongozona aza ny havoana,
dia tsy hiala aminao ny fitiavako
ary tsy hihozongozona ny fanekempihavanako
mikendry ny hampiadam-pinaritra anao.
Izaho TOMPO mpamindra fo aminao no milaza izany.»

11Ry ilay Jerosalema ory ô,
nasafotofoton’ny tafio-drivotra ianao
saingy tsy nisy olona nampahery!
Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO aminao:
«Indro Aho hanangana anao amin’ny vato miloko,
ary hamboatra ny fanorenanao amin’ny vato safira.
12Hataoko vato robisa ny tilikambo madinika
eny an-tampon’ny mandanao,
hataoko vato kristaly ny vavahadinao
ary hataoko vatosoa ny manda
izay manodidina anao manontolo.
13Izaho TOMPO no hahatonga
ny zanakao rehetra ho mpianatro,
ka hiadam-pinaritra fatratra ireo.
14Hitombina mafy amin’ny fahamarinana ianao:
hampanalaviriko anao ny famoretana,
ka tsy hatahotra na inona na inona intsony ianao;
hampanalaviriko anao ny fampihorohoroana,
ka tsy hananontanona anao intsony.
15Na dia misy miara-mioko aza,
dia tsy avy amiko izany;
sady na iza na iza miara-mioko hamely anao,
dia ho lavo eo anoloanao izy.
16Jereo fa Izaho ihany no nahary ny mpanefy
izay mifofotra ny afon’arina
ka mahavita fitaovam-piadiana
hampiasaina amin’izay ilana azy;
nefa Izaho ihany koa no nahary ny mpandrava
izay hamotika izany fitaovam-piadiana izany.
17Ny fiadiana isan-karazany
tefena hamelezana anao
dia tsy hahomby mihitsy;
ary ny olona rehetra izay miampanga anao
eo anoloan’ny fitsarana
dia horesenao lahatra.
Izany no ho anjaran’ireo mpanompoko,
ary izany no rariny hananany avy amiko.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12