mercredi 14 août 2019

Alarobia 14 Aogositra 2019 - Mat 16 : 13 - 21

13Dia lasa nankany amin’ny faritany manodidina ny tanàna atao hoe Kesaria-Filipo ry i Jesoa; ary nanontany ny mpianany Izy nanao hoe:
–Iza moa ny Zanak’olona, araka ny filàzan’ny olona Azy?

14Dia novalian’ny mpianany hoe:
–Misy manao hoe i Jôhany Mpanao batisa; ny sasany kosa manao hoe i Elià; ary ny hafa indray manao hoe i Jeremià na anankiray amin’ireo mpaminanin’Andriamanitra.

Ary hoy i Jesoa taminy:
15–Fa ianareo kosa, Iza moa Aho aminareo?

16Dia novalian’i Simôna Petera hoe:
–Ianao no ilay Mesia, ny Zanak’ilay Andriamanitra velona!

17Ary niteny tamin’i Petera i Jesoa nanao hoe:
–Sambatra ianao, ry Simôna zanakalahin’i Jônà, satria tsy olombelona nofo aman-dra no nanambara izany taminao fa ny Raiko Izay any an-danitra. 18Izaho koa milaza aminao fa ianao no Vato, ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Fiangonako; ary ny herin’ny fahafatesana tsy hahatohitra ny Fiangonako. 19Homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakàn’ny lanitra: ka na inona na inona hofehezinao etỳ an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra; ary na inona na inona hovahanao etỳ an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.

20Tamin’izay dia nofeperan’i Jesoa ny mpianany mba tsy hilazalaza na amin’iza na amin’iza fa hoe Izy no ilay Mesia.

21Hatramin’io fotoana io i Jesoa dia nanomboka nilaza mazava tamin’ny mpianany hoe:
–Tsy maintsy hankany Jerosalema Aho ka hataon’ny loholona sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalàna mijaly mafy tokoa, dia hovonoina ho faty; nefa hitsangana velona amin’ny andro fahatelo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12