lundi 26 août 2019

Alatsinainy 26 Aogositra 2019 - Nom 13 : 30 - 14 : 9

30Nampanginin’i Kaleba ny vahoaka izay nimonomonona tamin’i Mosesy ka nataony hoe:
–Aoka hiakarantsika ny tany ka halaintsika fa haharesy azy tokoa isika.
31Ireo olona niara-niakatra tamin’i Kaleba kosa nanao hoe:
–Tsy afaka manafika ireo olona ireo isika fa mahery lavitra noho isika izy.
32Dia nanao izay haharatsy laza ny tany izay nosafoiny tamin’ny Israelita izy ireo ka niteny hoe:
–Ny tany izay nosafoinay dia tany mamono ny olona tonga monina ao, ary ny olona izay hitanay tao dia ranjanana avokoa. 33Hitanay tao hatramin’ireo olona goavambe taranak’i Hanàka aza; tahaka ny valala izahay miohatra aminy, ary dia toy izany koa no fijeriny anay.

1Nandritra ny alina manontolo dia nikiakiaka sy nitomany avokoa ny vahoaka tafangona teo. 2Nimonomonona tamin’i Mosesy sy I Aharôna ny Israelita rehetra ka nanao hoe:
–Tsara kokoa ho antsika ny maty tany Ejipta na koa maty tatỳ an-taniefitra. 3Fa nahoana isika no nentin’ny TOMPO ho lavon-tsabatra amin’ny tany toy izany? Ho lasan-ko babo avokoa ny vady aman-janatsika; koa tsy aleontsika ve miverina indray any Ejipta?
4Dia nifampilaza izy ireo nanao hoe:
–Aoka isika hanendry mpitarika, dia hiverina any Ejipta!
5Niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny fiangonan’ny Israelita rehetra vory teo i Mosesy sy Aharôna. 6I Josa zanakalahin’i Nona sy i Kaleba zanakalahin’i Jefonè izay samy anisan’ny nisafo tany kosa dia nandriatra ny fitafiany 7ary niteny tamin’ny fiangonana israelita tsivakivolo hoe:
–Ny tany izay nosafoinay dia tany tena tsara tokoa. 8Raha ambinin’ny TOMPO isika, dia hoentiny any amin’io tany tondra-dronono sy tantely io ka homeny antsika izany. 9Koa aza mikomy amin’ny Tompo ianareo; ary aza matahotra ny mponin’io tany io, fa tsy misy hataontsika indraim-bava akory ireo. Efa niala taminy ireo andriamanitra fiarovany, fa ny Tompo kosa momba antsika; koa aza matahotra azy ireny ianareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12