mercredi 21 août 2019

Alarobia 21 Aogositra 2019 - Heb 11 : 1 - 12

1Ny hoe mino dia mahazo antoka tsara ny zavatra antenaina ary matoky ny zavatra tsy hita. 2Izany finoana izany manko no vavolombelon’ny mahatsara laza ny ntaolo.

3Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao; koa izao hita maso izao dia natao avy amin’ny tsy hita maso.

4Finoana no nanoloran’i Abela ho an’Andriamanitra sorona tsara noho ny an’i Kaina. Izany finoany izany no vavolombelona niantoka fa marina i Abela, satria nankatoavin’Andriamanitra ny fanatitra nataony; ary noho ny finoany, dia mbola miteny ihany i Abela na dia efa maty aza.

5Finoana no nahatafafindra an’i Henôka ho eo akaikin’Andriamanitra, ka tsy mba niharan’ny fahafatesana izy; ary tsy nisy olona nahita an’i Henôka intsony, noho izy nafindran’Andriamanitra ho eo akaikiny. Ny Soratra Masina no mijoro ho vavolombelona fa efa sitrak’Andriamanitra i Henôka talohan’ny namindrany azy. 6Raha tsy misy finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra; koa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Andriamanitra sady mamaly soa izay mitady Azy.

7Finoana no nanoavan’i Noà tamim-panajana, fony izy notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zava-hitranga tsy mbola hita; dia nandrafitra sambofiara i Noà hamonjena ny tenany sy ny ankohonany. Izany no nanamelohan’i Noà an’izao tontolo izao, fa nahatonga azy kosa handray ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoany.

8Finoana no naneken’i Abrahama fony izy nantsoin’Andriamanitra hiainga ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova; ka nandao ny tany nahabe izy, nefa tsy fantany izay halehany. 9Finoana no nonenany toy ny mpiavy tao amin’ny tany nampanantenain’Andriamanitra ho azy. Tranolay no nitoerany, dia izy mbamin’i Itsehàka sy i Jakôba, izay samy nandray izany fampanantenana izany. 10Fa i Abrahama dia niandry ilay tanàna mafy orina, ka Andriamanitra no tompo-marika tamin’izany sady nanao azy.

11Finoana no nahazoan’i Abrahama hery hanana anaka, na dia efa antidahibe aza izy ary na dia vehivavy momba aza i Sarà vadiny; satria azon’i Abrahama antoka fa mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana. 12Olona efa naman’ny maty ihany i Abrahama, nefa dia avy amin’izany lehilahy anankiray izany no niavian’ny taranaka maro toy ny kintana eny amin’ny habakabaka sy toy ny fasika tsy tambo isaina eny amoron-dranomasina.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12