mercredi 7 août 2019

Alarobia 07 Aogositra 2019 - Mar 9 : 14 - 29

14Nony tafaverina teo amin’ny mpianatra hafa ry i Jesoa efa-mianaka, dia nahita vahoaka maro nanodidina ireto mpianatra ary koa mpahay lalàna niady hevitra taminy teo. 15Raha vao nahita an’i Jesoa ny vahoaka rehetra, dia talanjona sady faly ka nirohotra niarahaba Azy. 16Dia nanontany ireto mpianatra i Jesoa nanao hoe:
–Inona izato iadianareo hevitra amin’ny mpahay lalàna?

17Fa nisy olona iray tamin’ny vahoaka namaly Azy hoe:
–Mpampianatra ô, nentiko eto aminao ny zanako lahy fa azon’ny fanahy mampahamoana. 18Ary na aiza na aiza ahazoany azy, dia alavony amin’ny tany ilay zaza ary ataony mandoa vory sy mikitro-nify dia mihinjitra eo. Niangaviako ny mpianatrao handroaka ilay fanahy, kanefa tsy vitany.

19Dia hoy i Jesoa tamin’ny vahoaka:
–Karazan’olona tsy mino ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko ny zaza!

20Dia nentiny teo aminy izy. Raha vao nahita an’i Jesoa ilay fanahy, dia nataony mifanintontsintona ilay zaza ka nianjera tamin’ny tany ary niolanolana sy nandoa vory. 21Ary nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa hoe:
–Hatramin’ny oviana izao?
Dia hoy ny rainy:
–Hatramin’ny fahakeliny. 22Ary matetika izy no nazeran’io fanahy io tany anaty afo sy tany anaty rano hamonoana azy; koa raha misy efanao re, dia mamindrà fo aminay ka vonjeo izahay!

23Fa hoy ny navalin’i Jesoa azy:
–Raha misy efako hoe? Tsy misy tsy efan’izay mino!

24Avy hatrany ilay rain’ilay zaza dia niantsoantso mafy nanao hoe:
–Mino aho, nefa vonjeo fa tsy ampy finoana.

25Nahita ny vahoaka nitangorona teo i Jesoa, dia niteny mafy ilay fanahy maloto nanao hoe:
–Mandidy anao Aho, ry fanahy mampahamoana sady mamparenina, mialà amin’io zaza io ary aza miverina ao aminy intsony!

26Dia ninananana ilay fanahy sady nampifanintontsintona mafy ny zaza no niala taminy. Nitsitra toy ny maty ilay zaza ka nataon’ny maro hoe maty. 27Fa noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay zaza hanarenany azy; dia tafatsangana tokoa izy.
28Rehefa tonga tao an-trano i Jesoa, dia nanontany Azy manokana ny mpianany nanao hoe:
–Nahoana izahay no tsy naharoaka azy iny?

29Dia hoy i Jesoa taminy:
–Iny karazana iny dia tsy misy fomba azo amoahana azy afa-tsy ny fivavahana ihany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12