dimanche 25 octobre 2020

Alahady 25 Oktobra 2020 - Isa 7 : 1 - 9

 1Tamin’ny andro nanjakàn’i Ahaza, zanakalahin’i Jôtama sady zafikelin’i Hozià mpanjakan’i Joda, dia niakatra i Retsîna mpanjakan’i Siria sy i Peka, zanakalahin’i Remalià sady mpanjakan’i Israely, mba hanafika an’i Jerosalema, kinanjo tsy nahafaka azy. 2Dia nampandrenesina i Ahaza, taranak’i Davida, sy ny tao an-dapany fa efa mitoby any Efraîma ny Sirianina. Koa taitra ny fon’ny mpanjaka sy ny an’ny vahoakany, tahaka ny hazo any an’ala rehefa tsofin’ny rivotra.

3Dia hoy ny TOMPO tamin’i Isaià:

–Mivoaha ny trano ianao mba hitsena an’i Ahaza, dia ianao sy i Seara-Jasoba zanakao lahy, fa efa mby amin’ny lakandrano ambony izy, eo amin’izay lalana mankany amin’ny sahan’ny mpanasa lamba. 4Ary lazao aminy hoe: «Tandremo! Aza taitaitra foana, aza matahotra. Aoka tsy ho ketraka ny fonao noho ny fahatezeran’i Retsîna avy any Siria sy ny fahatezeran’ny zanakalahin’i Remalià, fa tapa-porohana midonaka ihany ireo. 5Ny Sirianina ary i Peka sy ny Efraîmita dia efa niray tetika tokoa hanisy ratsy anao ka nanao hoe: 6‹Andeha isika hiakatra hamely an’i Joda mba hampitahotra azy, ka hoterentsika hanaraka antsika izy; dia ilay zanakalahin’i Tabeela no hatsangantsika hanjaka ao aminy.› 7Izao kosa no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY:

‹Tsy ho tanteraka sady tsy hisy izany

8-9I Damasy manko no renivohitr’i Siria,

ary ao ihany i Retsîna no filoha;

i Samaria no renivohitr’i Efraîma,

ary ao ihany i Peka no filoha.

I Efraîma, ao anatin’ny 65 taona,

dia tsy ho vanon-ko firenena intsony.›

Kanefa raha tsy ny TOMPO no itokianareo,

dia tsy ho azo itokiana haharitra koa ianareo.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12