mardi 13 octobre 2020

Talata 13 Oktobra 2020 - Gen 22 : 1 - 14

 1Taorian’izany toe-javatra izany, dia nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka niantso azy hoe:

–Ry Abrahama!

Dia namaly i Abrahama hoe:

–Inty aho.

2Dia hoy Andriamanitra hoe:

–Ento i Itsehàka zanakao lahitokana izay tianao; dia mandehana any amin’ny tany Môrià eo ambonin’ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko anao, ka atolory ho sorona dorana eo izy22.2 Môrià: jereo 2 Tan 3.1. –atolory ho sorona dorana eo izy: jereo Heb 11.17-19..

3Dia nifoha vao maraina be i Abrahama nony ampitso. Namaky kitay hanaovana sorona izy, dia nanisy lasely ny borikiny ary niainga ho any amin’ny toerana izay voatondron’Andriamanitra. Nentiny niaraka taminy koa ny zatovony roa lahy sy i Itsehàka zanany lahy. 4Nony afaka ampitso maraina dia tazan’i Abrahama tery lavitra tery ny tendrombohitra izay halehany. 5Koa hoy izy tamin’ireo zatovony roa lahy:

–Mijanòna eto ianareo miaraka amin’ny boriky, fa izaho sy ny zazalahy handeha hatreny an-tendrombohitra mba hivavaka amin’Andriamanitra, dia hiverina aty aminareo indray.

6Dia nalain’i Abrahama ny kitay hanaovana sorona ka natataony an’i Itsehàka zanany; fa izy kosa nitondra ny vainafo sy ny antsy. Ary raha mbola niara-nandeha izy mianaka, 7dia hoy i Itsehàka tamin’i Abrahama rainy:

–Dada ô!

Ka novaliany hoe:

–Mihaino anao aho, anaka.

Ary hoy i Itsehàka hoe:

–Indreo ny vainafo sy ny kitay, fa aiza kosa ny zanak’ondry hatao sorona dorana manontolo?

8Fa namaly azy i Abrahama hoe:

–Andriamanitra no hahita izay zanak’ondry hatao sorona dorana manontolo, anaka!

Dia niara-nanohy ny diany izy mianaka. 9Rehefa tonga teo amin’ny toerana izay voatondron’Andriamanitra izy ireo, dia nanorina alitara teo i Abrahama sady nandahatra ny kitay. Dia namatotra an’i Itsehàka zanany izy, ka nametraka azy teo amin’ny alitara, teo ambony kitay. 10Ary naninji-tanana handray ny antsy i Abrahama mba hamonoana ny zanany. 11Fa niantso azy avy any an-danitra ny anjelin’ny TOMPO ka nanao hoe:

–Abrahama ô! Abrahama ô!

Hoy kosa ny navalin’i Abrahama azy:

–Inty aho.

12Dia hoy indray ilay anjely:

–Aza maninji-tanana amin’io zazalahy io ianao ary aza manao aminy na inona na inona akory, satria fantatro ankehitriny fa manaja Ahy ianao; ka, na dia ny zanaka lahitokanao aza, dia tsy narovanao tamiko.

13Dia nanopy maso i Abrahama ka nahatazana ondrilahy iray voasarangotry ny kirihitr’ala ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondrilahy, ka nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho solon’ny zanany lahy. 14Dia nataon’i Abrahama hoe «Ny TOMPO no hahita» ny anaran’izany toerana izany ary mbola fiteny ankehitriny ny hoe: «Any an-tendrombohitra ny TOMPO no hahita22.14 Jereo and 8..»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12