mardi 6 octobre 2020

Talata 06 Oktobra 2020 - Asa 4 : 5 - 17

 5Nony ampitson’iny vao nifamory tao Jerosalema ny manampahefana jiosy: dia ny loholona sy ny mpahay lalàna 6ary koa i Hanà mpisorombe sy i Kaiàfa, i Jôhany sy i Aleksandra mbamin’izay rehetra havan’ny mpisorombe. 7Nampanatrehan-dry zareo i Petera sy i Jôhany sady nanontaniany hoe:

–Fahefana ahoana moa na amin’ny anaran’iza no nanaovanareo izany fanaratsiana izany?

8Feno Fanahy Masina i Petera tamin’izay ka nanao hoe:

–Ry mpifehy ny vahoaka sy ry loholona, 9raha adinina izahay anio satria nanasoa lehilahy kilemaina anankiray ary anontaniana ny fomba nahasitranany, 10dia izao no aoka ho fantatrareo rehetra mbamin’ny vahoaka Israely manontolo: salama tsara io lehilahy manoloana anareo io noho ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana kanefa natsangan’Andriamanitra ho velona avy any amin’ny maty. 11I Jesoa no Ilay voalazan’ny Soratra Masina hoe:

«Ny vato nolavinareo mpanao trano

no nanjary vato fehizoro4.11 Sal 118.22.!»

12Ao aminy no hany ahazoam-pamonjena; eny, tsy misy eto ambanin’ny lanitra anarana hafa nomen’Andriamanitra ny olona, izay hahazoantsika famonjena!

13Gaga dia gaga ireo anisan’ny Fitsarana ambony raha nahita ny fahasahiana nasehon’i Petera sy i Jôhany: satria tandriny tokoa fa olona tsotra tsy nahita fianarana izy roa lahy, sady fantany fa olona niaraka tamin’i Jesoa; 14hitany koa ralehilahy sitrana soa aman-tsara nitsangana teo anilan’izy roa lahy, hany ka tsy nanan-kolazaina ry zareo.

15Dia nasaina niala teo amin’ny efitranon’ny Fitsarana ambony ireto voampanga fa ry zareo kosa nifampidinika 16nanao hoe:

–Inona no hataontsika amin’ireo lehilahy ireo? Ny mponina rehetra eto Jerosalema dia mahalala miharihary ny famantarana vitany ka tsy haintsika lavina. 17Kanefa mba tsy hielezan’izany intsony amin’ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy roa lahy ka hosakanana tsy hiteny amin’ny anaran’i Jesoa intsony na amin’iza na amin’iza.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12