jeudi 17 décembre 2020

Alakamisy 17 Desambra 2020 - Jao 12 : 20 - 36

 20Nisy Grika vitsivitsy anisan’izay niakatra tao Jerosalema hivavaka mandritra ny fankalazana. 21Nohatonin’ireo i Filipo, izay avy any Betsaidà tanànan’i Galilea, ka nanaovany fangatahana hoe:

–Mba te hahita an’i Jesoa izahay, tompoko!

22Dia lasa i Filipo nilaza tamin’i Andrea; ary i Andrea sy i Filipo no lasa nilaza tamin’i Jesoa. 23Dia hoy i Jesoa tamin’izy roa lahy:

–Tonga ny fotoanandro hanomezam-boninahitra ny Zanak’olona. 24Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary latsaka ao amin’ny tany, dia mitoetra irery; raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. 25Izay mandala ny ainy no hahavery azy; fa izay tsy mandala ny ainy eto amin’izao tontolo izao no hitahiry azy ho aina maharitra mandrakizay. 26Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy; ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran’ny mpanompoko. Raha misy olona manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy.

27–Ankehitriny, mangorohoro ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Hoe: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’izao ora fijaliana izao? Kanefa ny handalo amin’izao ora fijaliana izao indrindra no nahatongavako. 28Ray ô, omeo voninahitra ny anaranao!

Tamin’izay dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:

–Efa nomeko voninahitra ny anarako ary mbola homeko voninahitra indray.

29Ny vahoaka izay teo ka nahare, dia nanao hoe:

–Kotro-baratra izany!

Fa hoy ny sasany:

–Anjely no niteny taminy!

30I Jesoa kosa nilaza hoe:

–Tsy ho Ahy no nahatongavan’izany feo izany fa ho anareo. 31Ankehitriny no hanamelohana an’izao tontolo izao; ankehitriny no handroahana ny filohan’izao tontolo izao. 32Ary Izaho, rehefa voasandratra avy eo amin’ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.

33Ny nolazain’i Jesoa tamin’izany dia ny karazam-pahafatesana efa hihatra aminy. 34Ka hoy ny vahoaka namaly Azy:

–Efa renay tamin’ny bokin’ny lalàna fa maharitra mandrakizay ny Mesia; ka ahoana no ilazanao hoe: tsy maintsy hasandratra ny Zanak’olona? Iza moa izany Zanak’olona izany?

35Dia hoy i Jesoa taminy:

–Kely foana sisa hitoeran’ny fahazavana eo aminareo. Mandehana dieny mbola anananareo ny fahazavana, mba tsy ho tratry ny haizina ianareo; fa izay mandeha amin’ny haizina dia tsy mahalala izay alehany. 36Minoa ny fahazavana dieny mbola anananareo ny fahazavana, mba ho tonga olona miaina araka ny fahazavana ianareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12