vendredi 11 décembre 2020

Zoma 11 Desambra 2020 - Efe 1 : 15 - 23

 15Noho izany, rehefa nandre ny finoanareo an’i Jesoa Tompo sy ny fitiavanareo ny vahoakan’Andriamanitra rehetra aho, 16dia tsy mitsahatra misaotra an’Andriamanitra noho ny aminareo. Mahatsiaro anareo aho amin’ny fivavahako 17ka mangataka amin’ilay Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, dia amin’ilay Ray be voninahitra, mba hanomezany anareo ny Fanahy Masina Izay mampahendry anareo sy manambara an’Andriamanitra aminareo ka hahalalanareo Azy tokoa. 18Mangataka aho ny hanokafan’Andriamanitra ny sainareo handray ny fahazavàny: mba hahafantaranareo ny fanantenana niantsoan’Andriamanitra anareo; sy hahafantaranareo ny haren’ny voninahiny ary ny lova izay natokany ho an’ny vahoakany; 19ary hahafantaranareo ny hery lehibe sy mihoa-pampana tokoa izay anasoavany antsika mpino, araka ny fiàsany tsy hay tohaina sy mahery vaika. 20Izany hery izany dia nampiasain’Andriamanitra tamin’ny nananganany an’i Kristy ho velona avy tany amin’ny maty ary tamin’ny nampipetrahany Azy eo ankavanany any an-danitra. 21Any i Kristy dia ambony lavitra noho ny fanapahana sy fahefana ary hery sy fanjakana rehetra eny ana habakabaka; any Izy ambony lavitra noho ny anaram-boninahitra rehetra azo tononina tsy amin’izao fiainana izao ihany fa amin’ny ho avy koa. 22Fa napetrak’Andriamanitra eo ambany tongotr’i Kristy ny zavatra rehetra; ary i Kristy dia nomen’Andriamanitra ny Fiangonana ho Filoha faratampony. 23Ny Fiangonana no tenan’i Kristy sady heniky ny hafenoana omen’i Kristy Izay manerana ny zavatra rehetra hatraiza hatraiza.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12