mardi 8 décembre 2020

Talata 08 Desambra 2020 - Mat 1 : 1 - 17

 1Fitanisana ny razan’i Jesoa Kristy, taranak’i Davida, dia i Davida taranak’i Abrahama.

2I Abrahama no ray niteraka an’i Itsehàka, i Itsehàka, ray niteraka an’i Jakôba; i Jakôba, ray niteraka an’i Joda mirahalahy avy. 3I Joda, ray niteraka an’i Farèsa sy i Zara (ary dia i Tamara no renin’izy roa lahy); i Farèsa, ray niteraka an’i Hesrôna; i Hesrôna, ray niteraka an’i Arama. 4I Arama, ray niteraka an’i Haminadàba; i Haminadàba, ray niteraka an’i Nahasôna; i Nahasôna, ray niteraka an’i Salmôna. 5I Salmôna, ray niteraka an’i Bôhaza (ary dia i Rahaba no reniny); i Bôhaza, ray niteraka an’i Ôbeda (ary i Rota no reniny); i Ôbeda, ray niteraka an’i Jisay; 6i Jisay, ray niteraka an’i Davida mpanjaka.

I Davida kosa no ray niteraka an’i Salômôna (ary dia ny vadin’i Orià no reniny); 7i Salômôna, ray niteraka an’i Rehabohàma; i Rehabohàma, ray niteraka an’i Abià; i Abià, ray niteraka an’i Asà. 8I Asà, ray niteraka an’i Jôsafata; i Jôsafata, ray niteraka an’i Jôrama; i Jôrama, ray niteraka an’i Ozià. 9I Ozià, ray niteraka an’i Jôtama; i Jôtama, ray niteraka an’i Ahaza; i Ahaza, ray niteraka an’i Hezekià. 10I Hezekià, ray niteraka an’i Manase; i Manase, ray niteraka an’i Amôna; i Amôna, ray niteraka an’i Jôsià. 11I Jôsià, ray niteraka an’i Jekônià mirahalahy avy. Tamin’izany no nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna.

12Taorian’ny nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna kosa dia izao: i Jekônià no ray niteraka an’i Sealtièla; i Sealtièla, ray niteraka an’i Zerobabèla. 13I Zerobabèla, ray niteraka an’i Abihoda; i Abihoda, ray niteraka an’i Eliakîma; i Eliakîma, ray niteraka an’i Azôra. 14I Azôra, ray niteraka an’i Sadôka; i Sadôka, ray niteraka an’i Akima; i Akima, ray niteraka an’i Elihoda. 15I Elihoda, ray niteraka an’i Eleazara; i Eleazara, ray niteraka an’i Matàna; i Matàna, ray niteraka an’i Jakôba. 16I Jakôba, ray niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria; ary dia i Maria no reny niteraka an’i Jesoa, ilay atao hoe Mesia.

17Koa 14 izany no isan’ny taranaka rehetra hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Davida; 14 koa hatramin’i Davida ka hatramin’ny nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna ka hatramin’ny Mesia.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12