vendredi 4 décembre 2020

Zoma 04 Desmabra 2020 - Jao 6 : 59 - 71

 59Izany teny izany no nataon’i Jesoa, fony Izy nampianatra tao amin’ny sinagôga tany Kafarnahòma.

60Koa maro tamin’ny mpianatr’i Jesoa, rehefa avy nandre Azy no nilaza hoe:

–Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany?

61Fantatr’i Jesoa tao am-pony fa nimonomonona ny mpianany noho izany teny izany, ka hoy Izy taminy:

–Misakana anareo tsy hino Ahy ve izany? 62Ahoana ianareo raha mahita ny Zanak’olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha? 63Ny Fanahy Masina no mamelona aina; raha ny maha olombelona fotsiny dia tsy mahasoa akory. Ireo teny izay nolazaiko taminareo no mahatonga anareo handray ny Fanahy Masina mamelona aina, 64kanefa misy tsy mino aminareo. (Fantatr’i Jesoa hatramin’ny voalohany manko ireo tsy mino sy ilay hanolotra Azy.)

65Ary hoy i Jesoa:

–Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ny Ray azy izany!

66Nanomboka tamin’io fotoana io dia maro tamin’ny mpianatr’i Jesoa no nihemotra, ka tsy niara-dia taminy intsony. 67Ka hoy i Jesoa tamin’ny 12 lahy:

–Ianareo koa ve mba te hiala?

68Dia novalian’i Simôna Petera hoe:

–Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay? Ianao no manana ny teny manome ny aina maharitra mandrakizay; 69sady izahay efa mino sy mahalala fa Ianao no ilay Masina avy amin’Andriamanitra!

70Fa hoy i Jesoa tamin’ny 12 lahy:

–Tsy Izaho ve no nifidy anareo 12 lahy? Kanefa devoly ny anankiray aminareo!

71Ny nolazainy dia i Jodasy, zanakalahin’i Simôna Iskariôta; izy io manko, na dia anisan’ny 12 lahy aza, no ilay efa hanolotra an’i Jesoa.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12