samedi 5 décembre 2020

Sabotsy 05 Desambra 2020 - Asa 16 : 25 - 34

 25Tamin’ny mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra i Paoly sy i Silasy; ary nihaino azy roa lahy ny gadra hafa. 26Dia injay nisy horohorontany mafy tonga tampoka nanozongozona ny fonja hatrany amin’ny fanorenany. Nivoha nidanadana ho azy ny varavarana rehetra, ary samy nivaha ho azy ny fatoran’ireo gadra rehetra. 27Tamin’izay dia taitra ilay mpiambina; ary nony hitany fa nivoha avokoa ny varavaran’ny fonja, dia nanatsoaka ny sabany saika hamono tena izy satria nampoiziny ho efa nitsoaka nandositra avokoa ny gadra. 28Fa niantso mafy i Paoly nanao hoe:

–Aza mamono tena, fa indreto avokoa izahay!

29Dia nangataka jiro ilay mpiambina ka niditra faingana nankao amin’ny fonja anatiny indrindra; ary tora-kovitra izy no niantoraka teo anoloan’i Paoly sy i Silasy. 30Dia navoakan’ilay mpiambina izy roa lahy sady nanontaniany hoe:

–Inona, tompoko, no tokony hataoko mba hovonjena aho?

31Dia novaliany hoe:

–Minoa an’i Jesoa Tompo, dia hovonjena ianao mbamin’ny ankohonanao!

32Dia nitorian’i Paoly sy i Silasy ny tenin’ny Tompo ilay mpiambina mbamin’izay rehetra tao an-tranony. 33Tamin’izany ora izany, iny alina iny ihany, dia nandray azy roa lahy ilay mpiambina ka nanasa ny feriny; ary natao batisa niaraka tamin’izay izy sy ny ankohonany rehetra. 34Nentin’ilay mpiambina niakatra tao an-tranony i Paoly sy i Silasy ka norosoany sakafo. Ary niravoravo niaraka tamin’ny olona rehetra tao an-tranony ralehilahy, noho izy efa tonga mpino an’Andriamanitra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12