samedi 23 décembre 2017

Sabotsy 23 Desambra 2017 - Mat 1 : 18 - 25

18Toy izao no nahaterahan'i Jesoa Kristy. Efa fofombadin'i Jôsefa i Maria renin'i Jesoa tamin'izay; raha mbola tsy niray trano anefa izy roa dia hita fa nitoe-jaza i Maria noho ny asan'ny Fanahy Masina. 19Olo-marina i Jôsefa vadiny, ka tsy te hanala baràka azy, fa nikasa hametraka azy mangingina.
20Raha mbola nieritreritra izany izy, dia nisehoan'anjelin'ny Tompo tamin'ny nofy ka nilazany hoe:
–Ry Jôsefa taranak'i Davida ô, aza matahotra ny hampakatra an'i Maria vadinao! Noho ny asan'ny Fanahy Masina tokoa no nampitoe-jaza azy. 21Ary ho tera-dahy izy ka i Jesoa no anarana hiantsoanao ny zaza: fa io zaza io no hamonjy ny vahoakany ho afaka amin'ny fahotany1.21 Ny hoe Jesoa dia mitovy amin'ny hoe Josoa ihany ka midika hoe: Ny Tompo no famonjena (na hoe ny Tompo no manome ny famonjena)..

22Izany rehetra izany no tonga dia mba ho tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe:

23«Indro hitoe-jaza ny virijiny ka ho tera-dahy;
ary ny anarana hiantsoana ny zaza dia Himanoela1.23 Is 7.14, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta, somary nisy novan'i Matio variraiventy.,»
(izany hoe «miaraka amintsika Andriamanitra»)

24Vao nifoha maraina i Jôsefa dia nanatontosa izay nandidian'ilay anjelin'ny Tompo azy, ka nampakatra an'i Maria vadiny. 25Tsy niray tamin'i Maria i Jôsefa mandra-pahatera-dahy an'i Maria; ary i Jesoa no anarana niantsoan'i Jôsefa ny zaza.

Vavolombelon'ny fitiavan'Andrianianitra i Josefa.

1- Tsy ta-hanala baraka nv vadinv (and.19)
Araka ny lalàna dia tokony halaim-baraka sy hotoraham- bato ho faty ny vehivavy bevohoka kanefa tsy ilay tompom-bady no tompon'andraikitra nahavita izany (Deot.22, 23-24). Maro amin'ny olona no tsy mahazaka ny kilemam-badiny ka mitantara izany amin'ny namana, na ny sakaiza, ny ray aman-dreny. Eny misy mihitsy aza tsy mahafehy ny fihetseham-pony ka sahy manala baraka azy imasom-bahoaka.Tsy mba nanao toy izany i Josefa, ilay lehilahy marina, tsy ta-hanala baraka azy izy. Na inona na inona mety ho kilemam-bady dia aoka tsy hifanala baraka

2- Mankato ny Tenin'nv Tompo (and.24)
Nikasa hisaraka mangingina tamin'i Maria Josefa. Izay no noheveriny fa tsy hahafa-baraka ny vadiny. Kanefa raha mbola nisaina izany izy dia niseho taminy ny anjelin'ny Tompo ka nampahery azy sady nilaza taminy mba tsy hatahotra ny hampakatra an'i Maria ho vadiny. Ka dia "nanao araka ìzay nandidian'ny anjelin'ny Tompo izy (and.24b)". Na dia teo aza ny fikasany hisaraka, nampandeferiny izany noho ny fankatoavany ny tenin'ny Tompo. Tena ilaina ny fíhainoana sy fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra manoloana ny olana misy.

Fanontaniana:
Inona no tokony hatao raha mahita ny kileman 'ny namanao ianao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12