mercredi 13 décembre 2017

Alarobia 13 Desambra 2017 - Oha 3 : 1 - 12

1Anaka, aza manadino ny fampianarako;
ary aoka ho voatandron'ny fonao ny didiko.
2Fa andro lava sy taona maro iainana
ka hiadam-pinaritra hatrany
no ho vokatr'ireny ho an'ny tenanao:
3Aoka tsy hialanao mihitsy ny fitiavana sy ny toetra mahatoky;
kajio toa firavaka fiambozonanao izany,
ary soraty ao am-ponao toy ny amin'ny vatofisaka.
4Fa hahita sitraka sy fahombiazana ianao
eo imason'Andriamanitra sy ny olona.

5Matokia ny TOMPO amin'ny fonao manontolo,
fa aza miantehitra amin'ny fahakingan-tsainao.
6Mieke Azy amin'izay rehetra alehanao,
dia hatorony anao ny soritra harahinao.
7Aza manao ny tenanao ho hendry,
fa hajao ny TOMPO ka ialao ny ratsy3.7 Jereo Rm 12.16..
8Hanasitranana ny tenanao izany
ary hamelombelomana ny taolanao.
9Anomezo voninahitra ny TOMPO ireo fanananao
sy izay voaloham-bokatrao rehetra.
10Dia ho feno vary mitafotafo ny sompitrao;
ary hihoatra ny barika fanantazanao azy ny divay.

11Anaka, aza hamavoinao ny famaizan'ny TOMPO
ary aza tofoka amin'ny fananarany.
12Fa izay tian'ny TOMPO no anariny
toy ny ataon-dray amin'ny zanany malala3.12 Jereo Jôb 5.17; 1Kôr 11.32; Heb 12.5-6..

Ireo fitahiana, fahasoavana, fitiavana omen'ny Tompo antsika

1- Tombon'andro:
"Fa andro maro sy taona ela iainana ary fìadanana no hanampiny ho anao ".
Izany teny fikasana izany dia tanterahin'ny Tompo amin'izao fisitrahatsika ny andro anio izao.

2- Famindrampo:
"Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana" (Oha 3, 3).
Izany famindrampon'ny Tompo izany no tsy mahalany ritra antsika.

3- Fitiavana, fahaialanatsara:
"Ka dia hahazo fitia sv fahalalana tsara eo anatrehan 'nv Tompo sy ny olona ianao" (Oha 4, 4). Mifampiankina amin'ny fisitrahana ny famindrampon'ny Tompo ny fahazoana fitia eo anatrehany sy anatrehan' ny olona.

4- Filaminana:
"Fa Izy handamina ny lalanao "(Oha 3, 6b)
Mirindra daholo izay atao rehetra, rehefa nv Tompo no
mandamina azy.

5- Fitahiana:
"Ka dia ho feno mitafotafo nyfitoeram-barinao "fOha 3, 10).
Sitraky ny Tompo no hanatanterahany ireo tsodrano voalaza ao amin'ny Deo 28, 8 ho antsika.

Fanontaniana:
Jereo ny Ohab 3, 1-12 ka fantaro ireo fikasan' Andriamanitra efa tanteraka aminao antrehitriny.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12