mercredi 20 décembre 2017

Alarobia 20 Desambra 2017 - Efe 3 : 14 - 21

14Noho izany no andohalehako eo anatrehan'Andriamanitra Ray, 15Izay antom-pisian'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. 16Mangataka amin'Andriamanitra aho mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny hohatanjahina fatratra ao anatinareo amin'ny herin'ny Fanahiny, 17ka hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana; dia hamahatra tsara sy ho mafy orina amin'ny fitiavana ianareo. 18Mangataka amin'Andriamanitra aho ny hahaizanareo mbamin'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra mahafantatra tsara ny fitiavan'i Kristy, dia izay sakany sy lavany ary haavony sy halaliny. 19Enga anie ho fantatrareo tokoa ny fitiavan'i Kristy – na dia tsy mety ho fantatra tanteraka na oviana na oviana aza izany –, mba hamenoana anareo ka hidiranareo ao amin'ny hafenoana rehetra ananan'Andriamanitra.

20Ary ho an'Andriamanitra Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay angatahintsika na heverintsika aza, araka ny heriny miasa ato amintsika, 21ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny Fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesoa, manerana ny taranaka rehetra mifandimby sy mandrakizay mandrakizay! Amen.

Mijoroa ho vavolombelon'ny fítiavan'ny Tompo.

1- Amin'nv fivavahana (and.l4-19)
"Ary noho izany no andohalehako amin'ny Ray". Ny fiainam-bavaka no hery lehibe ho enti-mandresy ny sakantsakana tsy ahafahana mijoro ho vavolombelona . Mariho tsara fa i Paoly, izay heverina fa tokony hangata-bavaka sy fampaherezana avy amin'ny hafa indray noho izy migadra, no mivavaka sy mandohalika ho an'ny mpino: "Mba hananany toe-panahy matanjaka (and.16); mba ahalala sy hitoeran' i Kristy ao am-pony ka hiorina amin 'ny fìtiavany (and.19). Toe-panahy toy izany no ilaina amin'izao vanim-potoana sarotra diavintsika izao. Ny tena mpino sy mpanara-dia an'i Jesoa mijoro ho vavolombelona mandrakariva amin'ny fivavahana, arv koa ahatsiaro hivavaka ho an'ny hafa.

2- Amin'ny fanomezam-boninahitra ny Tompo (and.20-21)
Resy lahatra i Paoly fa mahay ny zavatra rehetra Andriamanitra. mahay manao mihoatra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza; izany faharesen- dahatra izany no mitarika azy hanome voninahitra an'Andriamanitra ka hampaherezany ny mpamaky ny epistilinv. Aoka isika fiangonana hiaiky sy hankalaza ny voninahitr'Andriamanitra.

Fanontaniana:
Inona no hevitry ny teny hoe: "Velona ho an 'ny hafa"? 

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12