vendredi 22 décembre 2017

Zoma 22 Desambra 2017 - I Jao 4 : 12 - 19

12Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana4.12 Ampit Jôh 1.18.; fa raha mifankatia isika, dia mitoetra ao anatintsika Andriamanitra, ary lavorary ao anatintsika ny fitiavana Azy.

13Ny ahafantarantsika fa mitoetra ao anatin'Andriamanitra isika ary Izy ao anatintsika, dia ny Fanahiny efa nomeny antsika. 14Ary izahay efa nahita ka dia vavolombelona manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an'izao tontolo izao4.14 Ampit Jôh 3.17; 4.42. ny Ray. 15Na iza na iza manaiky an'i Jesoa ho Zanak'Andriamanitra, dia mitoetra ao anatiny Andriamanitra ary izy ao anatin'Andriamanitra. 16Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika.

Andriamanitra dia fitiavana; koa izay mitoetra ao amin'ny fitiavana no mitoetra ao anatin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao anatiny. 17Izao no mahalavorary ny fitiavana eo anivontsika: hanan-toky isika amin'ny andro fitsarana, satria tahaka an'i Kristy isika eto amin'izao tontolo izao. 18Tsy mba manan-tahotra ny fitiavana, fa ny fitiavana lavorary mandroaka ny tahotra. Mifantoka amin'ny sazy manko ny tahotra, fa izay matahotra dia mbola tsy lavorary amin'ny fitiavana.
19Tia isika, satria Andriamanitra no efa tia antsika mialoha.


Aiza no mitoetra Andriamanitra ?

1 - Ao amin'izav mifankatía (and.12b)
Andriamanitra dia fítiavana. Izao no nanehoana ny fítiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanany lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany. tiany hitoetra ao anatintsika izany fitiavany izany. Izany no andidiana antsika mba hifankatia satria "Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fìtiavany". Izaho sy ianao ary ireo namantsika dia samy nanehoan'Andriamanitra ny fitiavany. Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana,ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin' Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.

2 - Ao amin'izav manaiky fa Zanak' Andriamanitra Jesoa (and.15)
"Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesoa, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin' Andriamanitra. " Ny hoe: "manaiky Azy ho Zanak' Andriamanitra" dia finoana fa Izy no Ilay Mesia, voahosotr' Andriamanitra; Izy no nirahina avy any an- danitra mba hanao izay hahafantaran'ny olona an'Andriamanitra ary nanaiky hatao sorona noho ny fahotantsika. Ny olona efa nandray ny Fanahy Masina no afaka hanaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesoa, ka tanteraka amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny rahalahiny ary ny olona rehetra.

Fanontaniana:
Tanteraka ao aminao ve ny fìtiavan' Andriamanitra?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12