jeudi 21 décembre 2017

Alakamisy 21 Desambra 2017 - Hos 14 : 2 - 10

2Ry Israelita ô, mba miverena
amin'ny TOMPO Andriamanitrareo,
fa ny helokareo no nahalavo anareo.
3Miverena amin'ny TOMPO
ka milazà aminy hoe:
«Avelao avokoa ny helokay;
ary ho solon'ny vantotr'ombilahy fanolotray
dia raiso tsara ireto teninay ireto:
4Tsy i Asiria no hahavonjy anay,
tsy hitaingin-tsoavaly izahay;
ary tsy amin'ny sampy asan-tananay intsony
no hitenenanay hoe: ‹Ry Andriamanitray ô!›;
fa Ianao no mamindrafo amin'ny kamboty.»

5Izaho TOMPO dia hanasitrana
an'ilay Israely amin'ny fiodinany.
Ho tia azy amim-po malalaka Aho;
fa efa nialan'ny fahatezerako izy.
6Ho tahaka ny ando mahasoa azy Aho;
dia hamony tahaka ny lisy izy
ary hamàka tahaka ny hazon'i Libàno.
7Hisandrahaka rantsana izy,
ka ho tsara tarehy toy ny hazo ôliva
ary hamerovero toy ny alan'i Libàno.
8Ho avy indray i Israely,
ka hitoetra eo ambany fiarovako.
Hamboly vary indray izy,
ka hiroborobo tahaka ny voaloboka
sy halaza tahaka ny divay avy any Libàno.
9Hataon'i Efraîma inona intsony izay sampy?
Izaho TOMPO no mamaly vavaka azy
sady mitandrina azy.
Izaho no toy ny kipreso,
hazo maitso mandavan-taona14.9 Kipreso hazo maitso mandavan-taona: hany teny ao amin'ny T.T. izay ampitahana an'Andriamanitra amina hazo masina fanompon'ny fivavahana kanahanita, satria mariky ny fahavokarana..
Izaho no hahazoany vokatra.
10Iza no hendry hahafantatra
izany tenin'i Hôsea izany14.10 izany tenin'i Hôsea izany na izany zavatra izany. Io andininy miendrika fehinteny io dia ao anatin'ny antsoina hoe lahatsoratr'olon-kendry. Misy fomba fanoratra mitovitovy amin'izany ao amin'ny faran'ny Sal 107.43 sy ao amin'i Jer 9.11; Koh 8.1.,
na lalin-tsaina hahalala ny heviny?
Fa mahitsy ny sori-dalan'ny TOMPO;
ka hizoran'ny olo-marina izany,
saingy hahasolafaka ny mpikomy.

Tsy mahafoy antsika ny Tompo:

1- Mitaona antsika mba hiverina Aminy (and.2-4)
Tsy haFa noho ireo zanak'i Israely fahizany isika ankehitriny: "...fa lavon-keloka ianao". Ny fototry ny olana sy ny fahavoazana mahazo antsika dia tsv misy afa- tsy izao ihany: Ny fíhodinana amin' ny Tompo hanompo andriamani-kafa, mba hisolo ny toeran'Andriamanitra ao am-po. Tia antsika anefa ny Izy ka mitaona antsika indray mba hiverina Aminy. Ny hoe: "miverina Aminv'" dia midika ho fialàna amin'ny ratsv fanao sadv manaiky Azv amin'ny fo sy ny saina manontolo ho hany Andriamanitra tokana. Miantefa amintsika ny antso ankehitriny: "Miverena amin'i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra... " (and.3)

2- Mampanantena fanasitranana (and.5-9)
Teny fampanantenana no omeny antsika izay tapa-kevitra fa hiverina Aminy: "Hositraniko ny fiodinany ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako " (and.5). Mitondra fanavotana tanteraka ho an'ny olona sy ny firenena ny famelan-keloka omen'ny Tompo. Manome tokv Izy fa ho "tahaka ny ando ho an 'ny Israely" ka hitahy azy sy hampamokatra azy (and.6). Sarin'ny saha mahavokatra ahitana hazo voatondraka tsara sy tany mamokatra be no anehoana ny fahasitranana ampanantenaina izay miverina Aminy. Ny fiverenan'ny olony amin'Andriamanitra no miantoka ny fahasitranana sy mitondra fiadanana

Fanontaniana:
Inona no voka-dratsin 'ny fahotana eo amin 'ny fiainam- bahoaka?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12