dimanche 24 décembre 2017

Alahady 24 Desambra 2017 - Jao 3 : 16 - 21

16Eny, notiavin'Andriamanitra fatratra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa ho velona aina mandrakizay. 17Andriamanitra manko tsy naniraka ny Zanany ho eto amin'izao tontolo izao, mba hanameloka an'izao tontolo izao, fa mba hamonjy an'izao tontolo izao amin'ny alalany. 18Izay mino ny Zanaka dia tsy helohina; fa izay tsy mino koa dia efa voaheloka rahateo, noho izy tsy nino ny Zanaka lahitokan'Andriamanitra. 19Ary izao no anton'ny fanamelohana: efa tonga tamin'izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon'ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany. 20Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny fahazavana sady tsy manatona ny fahazavana, fandrao hita miharihary ny asa ratsiny. 21Izay manao ny marina kosa dia manatona ny fahazavana, mba hiseho fa notontosaina araka an'Andriamanitra ny asany.

Tia antsika Andriamanitra.

1- Nanorme ny Zanany lahitokana Izy (and.16)
Isika n tokony hohelohina ho faty noho ny fahotantsika , araka ny voasoratra hoe : "Fa fahafatesana no tambin'ny ota... " (Rom.6,23). Tsy foiny hisy ho any amin'ny fahafatesana sy ny fahaverezana mandrakizay anefa isika. Nirahiny ny Zanany ho ety amin'izao tontolo izao. dia Jesoa Kristy. Izy no vavolombelon'ny fitiavan' Andriamanitra antsika, fa voasoratra hoe: "Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany lahitokana.... (and.16). Ary koa: «Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao » (and.17)

2- Manome fiainana mandrakizav Izv
"... Nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay" " ...Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fìainana izany... " (I Jao.5, 11). Ny fanomezan'Andriamanitra ny Zanany dia fanomezana fiainana mandrakizay. Fa hov Jesoa: "Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be "(Jao. 10,10). Ny hoe "mino" dia manaiky fa i Jesoa irery no Ilay nirahin'Andriamanitra ho Mpamonjy sv Mpanavotra antsika. Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalany (Jao.14, 6).

Fanontamana:
Azonao antoka ve fa voavonjy ianao?Nahoana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12