lundi 18 décembre 2017

Alatsinainy 18 Desambra 2017 - Jao 15 : 9 - 16

 9Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa; mitoera ao amin'izany fitiavako anareo izany. 10Raha mitandrina ireo didiko ianareo, dia hitoetra ao amin'izany fitiavako anareo izany, tahaka ny nitandremako ireo didin'ny Raiko sy itoerako ao amin'ny fitiavana Ahy.
11Izany no voalazako taminareo, dia mba ho ao aminareo ny hafaliako ary mba ho feno ny hafalianareo15.11 Ampit Is 9.2; 35.10.. 12Izao no didiko: mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo. 13Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy hamonjy ny sakaizany. 14Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo: 15tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa ataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nampahafantariko anareo. 16Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo sady nanendry anareo mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan'ny vokatrareo; hany ka na inona na inona angatahinareo amin'ny Ray noho ny anarako, dia homeny anareo.

Tia antsika Jesoa.

1- Tahaka ny nitiavan'nv Rav Azv (and.9)
Isika olombelona dia mahalala tsara izany atao hoe fitiavan-janaka izany. Foin'ny ray aman-dreny ho an'ny zanany avokoa izay rehetra ilainy ka mahasoa azy, arv na dia maditra aza izy ireny dia hoy ny fiteny: " Ny zanaka no mahafoy ray aman-dreny, fa ny ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka..." Tsy takatry ny saintsika.fa ambony lavitra noho izany ny fitiavan'Andriamanitra .Tsy misy fítiavana ambony sv maherv tahaka ny fitiavan' Andriamanitra ny Zanany Lahitokana. Toy izany fítiavana izany no itiavan'i Jesoa antsika .Tia antsika Jesoa na dia tsy maha te ho tia aza isika noho ny fahotana vitantsika, nahafov ny ainy ho antsika Izy hahatonga antsika ho tena zanak'Andriamaintra tokoa ka ho mpiara- mandova Aminy ao amin'ny fanjakan'ny lanitra.

2- Nandray antsika ho sakaiza Izv (and.14,15)
"Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'nv tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo."(and.l5). Efa nambaran'ny Tompo antsika avokoa ny ao am-pony , izany no fitiavana tonga lafatra izay anjaran'ny sakaizan'i Jesoa. Raha mifankatia isika, dia tonga mpianatry ny Tompo tokoa arv tena sakaizan'i Jesoa. Izy, izay nifidy antsika kosa dia hanome antsika izay rehetra angatahintsika amin'ny Ray, na inona na inona izany.

Fanontaniana:
Manjaka ao amin 'ny fìainan 'ny samy kristiana tokoa ve ny fifankatiavana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12