samedi 16 décembre 2017

Sabotsy 16 Desambra 2017 - Jao 13 : 1 - 15

1Andro mialoha ny fankalazana ny Paska tamin'izay. Fantatr'i Jesoa fa tonga ny fotoanandro hialany amin'izao tontolo izao ho any amin'ny Ray. Efa notiavin'i Jesoa ireo Azy teo amin'izao tontolo izao ary dia notiaviny hatramin'ny farany.

2Teo am-pisakafoana hariva tamin'izay i Jesoa mbamin'ny mpianany; ary efa nomen'ny devoly hevitra i Jodasy, zanakalahin'i Simôna Iskariôta, mba hanolotra an'i Jesoa. 3Fantatr'i Jesoa rahateo fa efa napetraky ny Ray eo an-tanany avokoa ny zavatra rehetra, sady fantany fa Andriamanitra no niaviany ary Andriamanitra no hiverenany. 4Koa nitsangana niala teo am-pihinanana Izy, dia nametraka ny lambany, ary naka lamba famaohana ka nisikinany. 5Avy eo Izy dia nampidina rano tamina koveta, ary nanomboka nanasa ny tongotr'ireo mpianany sy namaoka izany tamin'ny lamba nisikinany. 6Dia tonga teo amin'i Simôna Petera Izy; fa hoy i Petera taminy:

–Ianao ve, ry Tompo, hanasa ny tongotro?

7Dia novalian'i Jesoa hoe:
–Izay ataoko dia tsy azonao ankehitriny, fa ho azonao any aoriana.

8Fa hoy i Petera taminy:
–Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana na oviana Ianao!

I Jesoa kosa namaly azy hoe:
–Raha tsy hosasako ianao, dia tsy hanana anjara amiko.

9Dia hoy i Simôna Petera taminy:
–Raha izany, ry Tompo, dia tsy ny tongotro fotsiny fa ny tanako sy ny lohako ihany koa.

10Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Izay efa nandro tsy mila hosasana afa-tsy ny tongony ihany, fa efa madio ny tenany manontolo. Ianareo koa dia madio, nefa tsy ianareo rehetra13.10 Afa-tsy ny tongony ihany: misy stf sasany tsy ahitana ireo teny ireo. –madio: ny voambolana grika ampiasaina eto dia midika hoe madio ara-batana sy ara-panahy, ary mifono izay hevitra roa sosona izany izy etoana..

11(Fantatr'i Jesoa manko ilay efa hanolotra Azy; ka izany no nilazany hoe: «Tsy ianareo rehetra no madio.»)

12Rehefa voasasan'i Jesoa ny tongotr'ireo mpianany, dia nandray ny lambany Izy ary nipetraka indray; ka hoy Izy tamin'ny mpianany:
–Azonareo ve izay nataoko taminareo? 13Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filàzanareo fa izany tokoa Aho.

Manome fianarana ho antsika nyTompo

Nasehon'i Jesoa tamin'ny asa ampanetre-tena ny fìtiavana fa tsy tamin'ny alalan'ny teny am-bava fotsiny ihanv. Manome fianarana ho antsika Izy amin'izao fanasany ny tongotry ny mpianany izao:

1 - Fianarana hanetry tena
Matetika dia sarotra amin'ny olona sasanv jzav manana toerana na saranga ambony eo amin'ny fiarahamonina izany hoe hanetry tena izany. Ny fomba fiheverana toy izany no nahatonga an'i Petera ho gaga, ka nandavany tsy hosasana tongotra tany am-boalohany (and.6). Nv mpianatra tokoa aza no tokony hanao izany amin'ny mpampianatra. raha ilaina izany. Asa fanaon'ny andevo no nataon'i Jesoa ho fanehoany fa ny fitiavana dia mitaky fanetren-tena.

2- Fianarana hifanompo
Eken'i Jesoa fa Tompo sv Mpampianatra Izy, araka izay iantsoan'ny mpianatra Azy rahateo. Kanefa dia Izy mihitsy no maka ny toeran'ny mpanompo ka nanasa ny tongotry ny mpianany. Asehon'izany fa na izay lehibe sy ambony aza afaka manompo koa ho fanehoam-pitiavana. Ary koa tokony hifanompo ny mpianatra, fa amin'izany no ahatanterahana ny fifankatiavana marina. Ny hoe mifanompo dia fanekena fa ny mpianatra rehetra dia samy sady tompo no tompoina. Avy amin'izany no hampiharihary fiombonana eo amin'ny samy mpianatry ny Tompo.

Fanontaniana:
Hita taratra ao amin'ny Fiangonana ve ny fifanompoan'ny samy kristiana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12