jeudi 14 décembre 2017

Alakamisy 14 Desambra 2017 - Tit 3 : 3 - 7

3Fa isika koa taloha mba adala, tsy nanaiky, naniasia; efa nandevozin'ny filàna sy fahafinaretana isan-karazany isika, lany andro tamin'ny haratsiam-panahy sy ny fialonana, sady ankahalain'olona no mankahala olona. 4Fa nony efa naneho ny hamoram-pony sy ny fitiavany olona ilay Andriamanitra Mpamonjy antsika, 5dia novonjeny isika, tsy noho ny asa marina vitantsika, fa noho ny famindrampony tamintsika. Ny namonjeny antsika dia tamin'ny alalan'ny rano fampandroana izay nanomezan'ny Fanahy Masina antsika fahateraham-baovao sy fiainam-baovao3.5 Ampit Ef 5.26 sy nta.. 6Fa nandrotsahan'Andriamanitra be dia be ny Fanahy Masina isika tamin'ny alalan'i Kristy Jesoa Mpamonjy antsika, 7hahatonga antsika ho marina eo anatrehan'Andriamanitra noho ny fahasoavan'i Kristy sy hahatonga antsika hanana anjara amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay efa antenaintsika.

Ny mampiavaka ny olona ateraka indray

Fantantsika fa ny olona ateraka indray dia tonga olom- baovao, miaina ny fiainambaovao. Afaka mijoro ho vavolombelona satria: "Efa lasa ny zavatra taloha". Olona nandray fanampahankevitra hampandroso an'i Jesoa ka mapiditra azy ho am-pony (Apok 3, 20).

1- Misitraka ny famindrampon'ny Tompo tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozanan'ny Fanahy Masina (Tit 3, 5). Mazava eto fa tsy any amin'ny asa na ezaka ataontsika izany fa noho ny famindrampon' Andriamanitra.

2- Ny olon'izao tontolo izao kosa, izay mbola mandeha ao amin'ny aizina dia mbola andevon'ny fìlàna sy ny fahafinaretana maro. Velona amin'ny lolom-po sy ny fialonana. Miaina amin'ny fankahalana, mora voafitaky ny devoly ary diso lalana matetika. Tsy manana fanantenana ary mizotra amin'ny fahaverezana. Tsy mety mandray ny fanavaozana avv amin'nv Tompo Jesoa Kristy. Lavìtry ny fiovam-po. Mila mandini-tena ny olona toy izany, mila miaiky ny fahalemeny sy ny fahotany; mibebaka sy manolo-tena ho an'Andrimanitra; manaiky ny famonjena vitan'i Jesoa Kristy teo amin'nv hazo fijaliana; mandrav fanapahan-kevitra hizotra amin'ny fiainam-baovao.

Fanotanìana:
Inona avy ireo mapiavaka ny olona ateraka indray?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12