mardi 19 décembre 2017

Talata 19 Desambra 2017 - Isa 63 : 7 - 19

7Hampahatsiaroviko ireo mari-pitiavan'ny TOMPO
sy ireo antony tokony hiderantsika AZY,
araka izay rehetra nataony tamintsika
mbamin'ny soa be nafafiny ho an'ny taranak'Israely.
Famindrampo sy fitiavana tsy hita lany
no nanaovany an'izany ho azy.

8Hoy ny TOMPO ny amin'ny Israelita hoe:
«Tena vahoakako tokoa ianareo,
zanaka tsy handiso fanantenana Ahy.»
Ka dia tonga Mpamonjy azy ireo ny Tompo
9tamin'ny fahoriana rehetra nanjo azy.
Tsy solotena na anjely no namonjy azy
fa ny tenan'ny Tompo mihitsy.
Ny fitiavany sy indrafony no nanavotany azy,
ka nivimbinany azy sy nitondrany azy
nandritra ny androny rehetra fahiny.
10Saingy nikomy tamin'ny Tompo ireo
ka nanome alahelo ny Fanahiny Masina;
dia tonga fahavalon'ireo Izy
sady niady taminy mihitsy.

11Tamin'izay ny vahoakan'Andriamanitra
dia nahatsiaro ny tantarany fahiny,
dia izay tamin'ny andron'i Mosesy63.11 dia izay...Mosesy: jereo Eks 14.15-23.:
«Nankaiza Ilay nampakatra avy ao amin'ny ony,
Ilay ho mpiandry ny andianondriny?
Nankaiza Ilay nametraka
ny Fanahiny Masina tao aminy?
12Izy no nampandroso ny sandriny mamirapiratra
teo ankavanan'i Mosesy,
ka nampisaraka ny ranomasina
teo anoloan'ny vahoakany
mba hananany laza mandrakizay.
13Izy no nampandeha azy ireo
teo amin'ny fanambanin'ny ranomasina;
toy ny soavaly mikarenjy any an-taniefitra ireo
ka tsy mba solafa-mamindra.
14Toy ny biby fiompy midina an-dohasaha
no nitondran'ny Fanahin'ny TOMPO azy
ho amin'ny toerana fialan-tsasatra.»
Tompo ô, tahaka izany tokoa
no nitarihanao ny vahoakanao
mba hanananao laza mamirapiratra.

15Mba mitsinjova avy eny an-danitra, Tompo ô;
avy eo amin'ny fonenanao masina sy mamirapiratra
mba jereo izay manjo anay.
Nankaiza izao ny fitiavanao miredareda
sy ny fahasahianao hiady ary ny fahaizanao mangoraka?
Enga anie ny famindramponao,
tsy ho sakantsakananao hihatra aminay!
16Satria Ianao mihitsy no Rainay,
fa i Abrahama tsy mahalala anay,
ary i Jakôba tsy mahafantatra anay;
eny, TOMPO ô, Ianao no Rainay,
Ianao ilay nantsoina hatrizay hatrizay
amin'ny anaranao hoe «Mpanavotra anay.»
17TOMPO ô, nahoana re izahay
no avelanao haniasia lavitra ny lalanao,
sy hampikiry ny fonay tsy hanaja Anao?
Miverena noho ny fitiavanao ny mpanomponao,
dia izahay foko anjara fanananao.
18Vahoaka natokana ho Anao izahay,
saingy fotoana fohy no nanananay ny tany lovanay;
fa nohitsakitsahin'ny fahavalonay ny Toeramasinao.
19Efa ela izahay no vahoaka tsy nofehezinao
sady tsy niantsoana ny anaranao intsony!
Enga anie hotriarinao ny lanitra mba hidinanao,
ka hihorohoro eo anatrehanao ny tendrombohitra!

Izay tokony hataon'ny olona efa novonjena:

Nanaiky ho faty teo amin'ny hazo fijaliana Kristy mba hamonjena antsika ka hanantsika anjara amin'ny fiainana mandrakizay. Inona kosa àry no tokony hataontsika. raha izany ny fitiavany antsika?

1-Manambara ny famindramponv (and.7)
Andeha isika hanao tahaka nv mpaminany ka hanambara hoe: "Ny famindram-pon' i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an'i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika". Mamindra fo sy miantra ny Tompo, mahari- po sadv be famindram-po Izy ka tsv mitahiry fahatezerana mandrakizay. Tsy manao antsika araka ny fahotantsika Izy, ary tsy mamaly antsika araka ny helotsika. Sambatra izay rehetra manantena Azy, fa hamindra fo aminy Izy.

2- Manambara ny famonjeny (and.8)
"Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsv mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy." Tamin'ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin'ny tavany no namonjy ireo.Ny fitiavany sy ny famindram- pony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin'ny andro taloha ela rehetra.(and.9). Izany no fitiavan'Andriamanitra antsika .Mpamonjy mora azo amin'ny fahoriana Izy. Tokony hotsarovana koa anefa fa mpitsara ny ratsy fanahy sy ny mafy hatoka Izy. Koa aoka isika hibebaka, satria izay mibebaka marina tokoa no handray izany famindrampo sy famonjeny izany.

Fanontaniana:
Efa nandray an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy anao tokoa ve ianao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12