dimanche 10 novembre 2013
Alahady 10 Novambra 2013 - Lio 12 : 35 - 40
35–Aoka ho vonona lalandava ka ny lambanareo sikino ary ny jironareo areheto. 36Manaova
toy ny mpanompo miandry izay hiverenan'ny tompony avy any amin'ny
fanasana; raha vao tonga sy mandondòna izy, dia vohain'ny mpanompony
miaraka amin'izay. 37Sambatra
ireo mpanompo hitan'ny tompony miari-tory raha tonga izy. Lazaiko
marina aminareo fa hisikina lamba ny tompony ka hampipetraka azy
hihinana ary handroso sakafo ho azy. 38Na
misasakalina na maneno akoho no ahatongavan'ny tompony ka mahita ireo
mpanompo miari-tory toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo! 39Izao no ataovy an-tsaina: raha fantatry ny tompon-trano ny ora iavian'ny mpangalatra, dia tsy havelany hotamîna ny tranony! 40Ianareo koa, aoka ho vonona hatrany, fa ho avy amin'ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak'olona*.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...