12Ry
hava-malala, aza gaga amin'ny fanenjehana mivaivay miseho teo aminareo
sady mihatra aminareo mba ho fizahan-toetra, ka hihevitra izany ho
zava-tsy fahita midona aminareo. 13Fa mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy*, mba ho heni-kafaliana aman-karavoana koa ianareo amin'ny andro hisehoan'ny voninahiny. 14Sambatra
ianareo raha haratsîna amin'ny maha mpianatr'i Kristy anareo; fa ny
Fanahy Masina be voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, no mitoetra
eo aminareo. 15Eny,
aoka aminareo tsy hisy hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na
mpanao ratsy, na mpitsabaka amin'ny raharahan'olona; 16fa
raha amin'ny maha kristianina azy no ijaliany, dia aoka izy tsy ho
menatra fa hanome voninahitra an'Andriamanitra noho izany anarana entiny
izany.
17Tonga
ny fotoanandro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny
ankohonan'Andriamanitra; ka raha miantomboka amintsika izany, hanao
ahoana kosa no hiafaran'izay tsy mety mino nyVaovao Mahafaly* avy amin'Andriamanitra? 18Fa hoy ny Soratra Masina*:
«Raha saika tsy voavonjy ny marina,
inona no hanjo ny tsy mpivavaka sy ny mpanota?»
19Koa
izay miaritra fijaliana araka ny sitrapon'Andriamanitra, aoka hanao soa
hatrany sy hanankin-tena amin'Ilay mitana ny toky nomeny, dia ny
Mpahary azy.