–Sambatra ianareo mahantra,
fa anareo ny Fanjakàn'Andriamanitra*!
21Sambatra ianareo noana ankehitriny,
fa hovokisan'Andriamanitra!
Sambatra ianareo mitomany ankehitriny,
fa hampifalîn'Andriamanitra!
22Sambatra ianareo raha halan'ny olona sy roahiny ary tevatevainy sy alàny baràka noho ianareo miandany amin'ny Zanak'olona*. 23Aoka
hifaly ianareo amin'ny andro hisehoan'izany ary aoka hibita-karavoana,
satria valisoa lehibe no miandry anareo any an-danitra. Fa toy izany
indrindra no nataon'ny razan-dry zareo tamin'ny mpaminani*n'Andriamanitra.
24–Mampalahelo kosa ianareo mpanana,
fa efa azonareo ny fahafaham-po!
Mampalahelo ianareo voky ankehitriny,
fa mbola ho noana!
25Mampalahelo ianareo mihomehy ankehitriny,
fa mbola higogogogo hitomany!
26Mampalahelo
ianareo raha ataon'ny olona tsara laza. Fa toy izany indrindra no
nataon'ny razan-dry zareo tamin'ny mpaminany sandoka!