7«Sambatra ireo navelan'Andriamanitra fahotana
sy nofoanany heloka.
8Sambatra ny olona tsy itanan'ny Tompo heloka!»
9Ho
an'iza moa izany fahasambarana izany? Ho an'ny voafora ve sa ho an'ny
tsy voafora koa? Voatsiahiko teo ny tenin'ny Soratra Masina hoe: «Ny
finoana no nankatoavan'Andriamanitra an'i Abrahama ho marina.» 10Ary
ahoana izany? Tamin'i Abrahama efa voafora sa fony izy tsy mbola
voafora? Tsy tamin'izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola
voafora; 11fa ny famorana* dia famantarana noraisin'i Abrahama tatỳ aoriana,
ho toy ny tombokase manamarika fa neken'Andriamanitra ho marina izy
satria nino, dia fony izy tsy mbola voafora. Koa tonga rain'izay rehetra
tsy voafora i Abrahama: dia ireo tsy voafora nefa nino ka
neken'Andriamanitra ho marina; 12sady
tonga rainay voafora ihany koa: dia izahay sady voafora no manara-dia
an'i Abrahama razanay izay efa nino fony tsy mbola voafora.