vendredi 15 novembre 2013
Zoma 15 Novambra 2013 - Rom 14 : 19 - 23
19Izay mampitombo ny fiadanana àry no aoka hokatsahintsika, mbamin'izay ifanampiantsika hiorina amin'ny finoana; 20fa aza izay sakafo no handravanao ny asan'Andriamanitra. Eny, madio* ka azo hanina avokoa ny zavatra rehetra, nefa kosa ratsy ny mihinan-javatra raha mahasolafaka namana amin'ny ratsy izany. 21Ny tsara dia ny tsy mihinan-kena na misotro divay na mikasika akory izay mahasolafaka ny namanao amin'ny ratsy. 22Tano
ho anao eo anatrehan'Andriamanitra izay itokianao ho marina. Sambatra
izay tsy melohin'ny eritreriny amin'ny zavatra ankatoaviny. 23Fa
izay miahanahana dia melohin'Andriamanitra, raha mihinana, satria tsy
vokatry ny finoana no ihinanany. Fa izay rehetra tsy vokatry ny finoana
dia fahotana avokoa.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...