9Ianareo kosa, tsy anjakan'ny maha olona mpanota ianareo fa anjakan'ny Fanahy Masina, satria efa monina ao anatinareo ny Fanahin'Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy an'i Kristy. 10Fa raha ao anatinareo kosa i Kristy, na dia ho faty aza ny vatanareo noho ny fahotana, ny Fanahy Masina no fiainanareo satria efa neken'Andriamanitra ho marina ianareo. 11Ary
raha monina ao anatinareo ny Fanahin'ilay Andriamanitra nanangana an'i
Jesoa ho velona avy tany amin'ny maty, dia Izy nanangana an'i Jesoa ho
velona avy tany amin'ny maty no hamelona koa ny vatanareo mety maty,
amin'ny alalan'ilay Fanahiny monina ao anatinareo.
12Koa
amin'izany, ry havana, misy adidy ananantsika, nefa tsy adidy amin'ny
maha olona mpanota ka hivelomantsika araka ny maha olona mpanota. 13Satria
raha velona araka ny maha olona mpanota ianareo, dia ho faty; fa raha
ny Fanahy Masina no amonoanareo ny asan'ny maha olona mpanota, dia ho
velona ianareo.
samedi 9 novembre 2013
Sabotsy 09 Novambra 2013 - Rom 8 : 1 - 13
1Koa ankehitriny dia tsy misy intsony fanamelohana ho an'izay tafaray amin'i Kristy* Jesoa. 2Fa ny fanapahan'ny Fanahy Masina, mpanome aina ho an'izay tafaray amin'i Kristy Jesoa, dia nanafaka ahy tsy ho voafehin'ny fanapahan'ny fahotana sy ny fahafatesana. 3Satria izay tsy vitan'ny lalànan*'i
Mosesy, noho ny lalàna nolemen'ny maha olona mpanota, dia
notontosain'Andriamanitra. Voahelok'Andriamanitra ny fahotana tao
amin'ny maha olona mpanota fony Izy naniraka ny Zanany*, Izay naka ny endriky ny maha olombelona mba hanaisotra ny fahotana. 4Notontosain'Andriamanitra
izany mba ho tanteraka ao amintsika ny zavatra rehetra takîn'ny lalàna
amintsika, dia isika izay mizotra tsy araka ny maha olona mpanota
intsony fa araka ny Fanahy Masina. 5Eny,
izay miaina araka ny maha olona mpanota, dia mirona amin'ny zavatra
ankafizin'ny maha olona mpanota; fa izay miaina araka ny Fanahy Masina,
dia mirona amin'ny zavatra ankafizin'ny Fanahy Masina. 6Satria
ny firònan'ny maha olona mpanota dia mitondra amin'ny fahafatesana; fa
ny firònan'ny Fanahy Masina dia mitondra amin'ny fiainana sy ny
fiadanana. 7Ny
firònan'ny maha olona mpanota dia mifanohitra amin'Andriamanitra, ka
tsy manoa sady tsy afa-manoa ny lalànan'Andriamanitra akory. 8Fa izay anjakan'ny maha olona mpanota dia tsy mety ho sitrak'Andriamanitra.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...