lundi 11 novembre 2013
Alatsinainy 11 Novambra 2013 - Jak 5 : 7 - 11
7Koa
mahareta tsara àry, ry havana, mandra-piavin'ny Tompo. Jereo ny
mpamboly miandry amim-paharetana izay vokatra sarobidy havoakan'ny tany,
ka maharitra mandra-pahazony ny oram-pararano sy ny oran-dohataona. 8Mahareta koa ianareo; aoka ho feno herimpo, fa efa mby akaiky ny fiavian'ny Tompo. 9Aza
mifampimonomonona ianareo, ry havana, mba tsy hanamelohan'Andriamanitra
anareo. Indro ny mpitsara efa mijoro eo am-baravarana. 10Ry havana, aoka ireo mpaminany* izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no hataonareo filamatry ny fifandeferana sy faharetana. 11Indro
ataontsika hoe sambatra izay manam-paharetana. Efa renareo ny
faharetan'i Jôba, ary fantatrareo izay nataon'ny Tompo ho azy tamin'ny
farany, satria be fiantra sy be indrafo ny Tompo.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...