dimanche 23 août 2015

Alahady 23 Aogositra 2015 - Eks 5 : 15 - 6 : 1

15Nankao amin'ny Farao ireo Israelita mpitandrin-draharaha ka nitaraina hoe:
–Nahoana no dia ataonao toy izao izahay mpanomponao? 16Tsy omena mololo izahay kanefa asaina manao biriky ihany. Ary jereo fa nokapohina izahay mpanomponao, ka heloky ny vahoakanao izao!

17Fa novalian'ny Farao hoe:
–Olona tena kamo mihitsy ianareo! Izany no antony nilazanareo hoe: «Handeha hanao sorona ho an'ny TOMPO izahay.» 18Koa ankehitriny, ndeha miasa fa tsy homena mololo intsony ianareo, nefa ny isam-biriky anjaranareo tsy maintsy homenareo ihany.

19Hitan'ireo mpitandrin-draharaha israelita fa tafalatsaka amin'ny kizo izy raha nilazana hoe: «Tsy hahenanareo ny isam-birikinareo, fa ny anjara fanao isan'andro ihany.» 20Koa vantany vao nivoaka avy tao amin'ny Farao ry zareo, dia nandeha nihaona tamin'i Mosesy sy i Aharôna izay efa niandry azy rahateo; 21ka hoy ireto mpitandrin-draharaha tamin'izy mirahalahy:
–Aoka ho hitan'ny TOMPO izao nataonareo izao ka hanamelohany anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra tamin'ny Farao sy ny tandapany izahay; eny, nasianareo sabatra eny an-tanan'ireo mba hamonoany anay!

22Dia niverina tany amin'ny TOMPO i Mosesy ka niteny hoe
–Tompo ô, nahoana no nampidi-doza an'ity vahoaka ity ianao? Ahoana àry no nanirahanao ahy atỳ? 23Fa hatramin'ny nankanesako tany amin'ny Farao niteny tamin'ny anaranao no nahatonga izao loza izao tamin'ny Israelita, ary ianao dia tsy mamonjy ny vahoakanao akory!

1Fa namaly an'i Mosesy ny TOMPO hoe:
–Ankehitriny vao ho hitanao izay hataoko amin'ny Farao, fa noho ny herin-tsandriko dia havelany handeha ny Israelita; eny, noho ny herin-tsandriko, dia horoahiny hiala amin'ny taniny izy ireo!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12