vendredi 21 août 2015

Zoma 21 Aogositra 2015 - II Tan 32 : 9 - 23

9Taorian'izay dia nanao fahirano an'i Lakisy i Saneheriba mpanjakan'i Asiria ary koa ny tafiny manontolo. Avy ao i Saneheriba no naniraka manamboninahitra hankany Jerosalema ho any amin'i Hezekià mpanjakan'i Joda sy ho any amin'ny Jodeanina rehetra nonina tao an-drenivohitra.

Ka hoy ny hafatra nampitain'ireto iraka hoe:
10–Izao no lazain'i Saneheriba mpanjakan'i Asiria: «Mba inona izao itokianareo izao no dia miaritra fahoriana ato Jerosalema ianareo? 11Tsy i Hezekià ihany va no manambosy anareo hanolo-tena ho faty mosary sy hetaheta ka milaza fa ny TOMPO Andriamanitrareo no hamonjy anareo tsy hiharan'ny fahefàko? 12Kanefa io Hezekià io koa no nandrava ireo toeram-pisoronana* aman'alitarany*, ka nandidy ny mponin'i Joda sy i Jerosalema mba tsy hanao fanompoam-pivavahana afa-tsy eo anoloan'ny alitara tokana ary tsy handoro sorona* hanetona afa-tsy eo ihany? 13Tsy fantatrareo va izay nataon'ireo razako sy ny tenako tamin'ny firenena hafa rehetra eto an-tany? Moa nisy nahavonjy ny taniny tsy hiharan'ny fahefàko ve ireo andriamanitry ny firenen-kafa? 14Ny andriamanitr'ireo firenena efa naringan'ny razako ireo dia tsy nisy nahavonjy ny olony tsy hiharan'ny fahefàko, ka dia hahavonjy anareo tsy hiharan'ny fahefàko va ny Andriamanitrareo? 15Ankehitriny àry, aza mety hofitahin'i Hezekià na ho voasodokany tahaka izao ianareo; aza matoky azy ianareo. Tsy nisy manko andriamanitra, tany amin'ny firenena amam-panjakana isan-tokony, izay nahavonjy ny olony tsy hiharan'ny fahefàn'ireo razako na ny fahefàko; noho izany, ireo andriamanitrareo koa tsy hahavonjy anareo tsy hiharan'ny fahefàko.»

16Ary ny manamboninahitra nirahin'i Saneheriba dia nanohy niteny ratsy nanohitra ny TOMPO Andriamanitra sy nanohitra an'i Hezekià mpanompony.

17Dia nanoratra taratasy koa ity mpanjakan'i Asiria mba hihantsiana ny TOMPO Andriamanitr'i Israely sy hanarabiana Azy. Ka hoy izy hoe: «Tsy nahavonjy ny olony tsy hiharan'ny fahefàko ny andriamanitr'ireo firenena hafa teto an-tany; noho izany, ny Andriamanitr'i Hezekià dia tsy hahavonjy koa ny olony tsy hiharan'ny fahefàko.»
18Ankoatra izany, ireto irak'i Saneheriba ireto dia niantso tamin'ny feo mahery sady araka ny fiteny jodeanina teo anatrehan'ny mponin'i Jerosalema izay teny ambonin'ny manda; ny hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahazoany ny tanàna no anton'izany. 19Ary ny fitenenany an'ilay Andriamanitr'i Jerosalema koa dia toy ny fitenenany an'ireny andriamanitry ny firenena any an-tany hafa ireny, izay sarivongana asan-tanan'olona ihany.

20Noho izany toe-javatra izany dia nivavaka i Hezekià mpanjaka sy i Isaià mpaminany* zanakalahin'i Amôtsa, ka niantso vonjy tamin'Andriamanitra. 21Ny TOMPO kosa naniraka anjely*, izay nandringana ny miaramila maherifo rehetra sy ny manamboninahitra ary ny komandy teo an-tobin'ny mpanjakan'i Asiria. Ka dia lasa nody tamin-kenatra i Saneheriba; ary nony niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia ireo zanany naterany ihany no namono nahafaty azy tao tamin'ny sabatra.

22Toy izany no namonjen'ny TOMPO an'i Hezekià sy ny mponin'i Jerosalema tsy ho azon'i Saneheriba mpanjakan'i Asiria na ho azon'ny fahavalo hafa rehetra; ary nanomezany azy fiadanana tamin'ny sisin-tany manodidina. 23Olona maro no nitondra fanatitra ho an'ny TOMPO tao Jerosalema ary koa fanomezana ho an'i Hezekià mpanjakan'i Joda; ka nanomboka tamin'izay i Hezekià no nalaza teo imason'ny firenen-drehetra manodidina.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12