jeudi 20 août 2015

Alakamisy 20 Aogositra 2015 - I Kor 4 : 6 - 13

6Ry havako, nampihariko tamin'ny tenako sy tamin'i Apôlao izany zavatra izany, noho ny aminareo. Ka dia ny tenanay roa lahy no hianaranareo ny dikan'ilay ohabolana hoe: «Aza mihoatra ny faritra izay efa voasoratra.» Aoka ianareo tsy hirehareha miandany amin'olona anankiray ka hanabanty anankiray hafa. 7Iza moa no nanondrotra anao ho ambonin'ny sasany? Inona no anananao ka tsy noraisinao tamin'Andriamanitra? Ary raha nandray tamin'Andriamanitra ianao, nahoana no dia mirehareha hoatra ny tsy nandray?

8Efa tapi-java-nirina ianareo, efa manankarena, tonga mpanjaka, saingy toa tsy noho ny nataonay! Satriko ho tonga mpanjaka tokoa ianareo, mba hiarahanay manjaka aminareo. 9Noheveriko fa izahay apôstôly dia nasehon'Andriamanitra ho olona faraidiny mihitsy: mova tsy olona voaheloko ho faty ampahibemaso ka natao ho fizàhan'izao tontolo izao* na anjely* na olona. 10Izahay moa adala noho ny amin'i Kristy, fa ianareo kosa hendry satria tafaray amin'i Kristy; izahay osa, fa ianareo kosa matanjaka; izahay tsy misy hajany, fa ianareo kosa heni-boninahitra. 11Mandraka ankehitriny, dia mijalin'ny hanoanana sy hetaheta izahay; tsy manan-kitafy, velesina, tsy manana antom-ponenana. 12Miasa mafy izahay mba hahavita tena; raha ozonin'olona, dia mirary soa; raha enjehina, dia miaritra; 13raha endrikendrehina, dia mamaly teny malefaka. Mova tsy tonga fakofakon'izao tontolo izao sy faraidin'ny olona rehetra izahay, mandraka ankehitriny.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12