jeudi 27 août 2015

Alakamisy 27 Aogositra 2015 - Mat 10 : 26 - 36

26–Koa aza matahotra ny olombelona ianareo. Fa tsy misy afenina izay tsy haseho na takona izay tsy ho fantatra. 27Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina dia ambarao eny amin'ny mazava; ary izay ren'ny sofinareo dia antsoantsoy eny an-tampon-trano. 28Ary aza matahotra ireo mamono mahafaty ny vatana, nefa tsy mahay mamono mahafaty ny fanahy; fa aleo matahotra an'Andriamanitra Izay mahay mahavery ny fanahy amam-batana any amin'ny lohasahan'afo*. 29Tsy ampaharoapolon'ny denàry monja ve no vidin'ny fody roa? Kanefa tsy hisy latsaka amin'ny tany izy ireny na iray aza, raha tsy lahatry ny Rainareo. 30Na ny volon-dohanareo aza dia fantatr'Andriamanitra ny isany. 31Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo!

32–Noho izany, na zovy na zovy manaiky ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, Izaho koa dia hanaiky ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. 33Fa na zovy na zovy mandà tsy ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, Izaho koa dia handà tsy ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.

34–Aza heverinareo fa tonga eto an-tany Aho hampihavana; tsy tonga hampihavana Aho, fa hampiady. 35Eny, tonga Aho hampisaraka ny zanaka lahy amin'ny rainy, sy ny zanaka vavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozambaviny; 36koa ny ankohonan'ny olona ihany no ho fahavalony.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12