lundi 3 août 2015

Alatsinainy 03 Aogositra 2015 - II Kor 1 : 1 - 11

1Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apôstôlin'i Kristy* Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra.
Mamangy anareo isan'ny Fiangonan'Andriamanitra atỳ Kôrinto mbaminareo vahoakan'Andriamanitra* rehetra manerana an'i Akaîa aho. Mamangy anareo koa i Timôty havantsika. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!

3Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain'i Jesoa Kristy* Tompontsika, ilay Ray feno hatsaram-po sady Andriamanitra loharanon'ny fampaherezana rehetra. 4Mampahery anay amin'ny fahoriana isan-karazany manjo anay Andriamanitra, ka ny fampaherezana azonay taminy no entinay mampahery ny olona ianjadian'ny fahoriana isan-karazany. 5Miara-mijaly be dia be amin'i Kristy izahay; ary betsaka araka izany koa ny fampaherezana azonay amin'ny alalan'i Kristy. 6Raha ampahorîna izahay, dia ho fampaherezana anareo sy ho famonjena anareo izany; raha ampaherezina izahay, dia ho fampaherezana anareo koa izany, ka miasa hiaretanareo fijaliana mitovy indrindra amin'izay entinay. 7Ary miorina mafy ny fanantenany ny aminareo, satria fantatray fa toy ny iombonanareo fijaliana aminay no iombonanareo fampaherezana aminay koa.
8Tianay, ry havako, ny hahalalanareo ny fahoriana nanjo anay tany amin'ny faritany Azia; nitambesatra loatra taminay izany ary tafahoatra ny zakanay, ka tsy nanantena intsony izay hoe mbola ho velona izahay. 9Tsapanay tao amin'ny tenanay fa voaheloka ho faty izahay, mba tsy hitokianay amin'ny tenanay, fa hitokianay amin'Andriamanitra Izay manangana ho velona ny efa maty. 10Izy no nanafaka anay tamin'ny fahafatesana nananontanona anay, ary dia mbola hanafaka any hatrany; eny, Izy no antenainay fa hanafaka hatrany, 11satria ianareo koa hanampy anay amin'ny fivavahana ataonareo ho anay. Dia ho maro ny olona hisaotra an'Andriamanitra ny aminay satria maro no nangataka mba hahazoanay izany fitahiana izany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12