lundi 17 août 2015

Alatsinainy 17 Aogositra 2015 - II Tim 2 : 1 - 13

1Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny alalan'ny fahasoavana ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa. 2Ireo zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia ankino amin'ny olona mahatoky, izay afaka mampianatra ny sasany koa.

3Aoka hiaritra fijaliana miaraka amiko ianao, toy ny miaramila tsaran'i Kristy Jesoa. 4Ny miaramila miantafika dia tsy maningo-tena amin'ny raharaha fanaom-bahoaka, raha te hankasitrahin'izay mandatsaka azy hiantafika. 5Ny mpanao fanatanjahan-tena dia tsy mahazo satroboninahi-pandresena raha tsy manezaka araka ny fitsipika. 6Ny mpamboly izay misasatra no tokony ho voalohany mandray izay anjarany amin'ny vokatra. 7Saino izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina momba ny zavatra rehetra ianao.

8Tsarovy i Jesoa Kristy, Izay nipoitra avy amin'ny taranak'i Davida sady efa nitsangana velona avy tany amin'ny maty, araka ny Vaovao Mahafaly* torîko. 9Noho ny fitoriako izany Vaovao Mahafaly izany no ijaliako, ary igadrako toy ny mpanao ratsy aza. Kanefa ny tenin'Andriamanitra tsy mba voagadra. 10Izany no iaretako ny mafy rehetra ho fanasoavana ireo olomboafidin'Andriamanitra, mba hahazoan'ireo koa famonjena, dia ilay ao amin'i Kristy Jesoa, mbamin'ny voninahitra maharitra mandrakizay. 11Azo antoka izao teny izao:
                «Raha niara-maty tamin'i Kristy isika,
                  dia hiara-belona aminy koa;
                 12raha miaritra ny mafy isika,
                 dia hiara-manjaka aminy koa;
                 fa raha lavintsika Izy,
                 dia mba holaviny koa isika;
                 13raha mivadika aminy isika,
                 Izy dia mahatoky hatrany
                 satria tsy afa-mandà ny tenany.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12