mercredi 19 août 2015

Alarobia 19 Aogositra 2015 - Neh 2 : 1 - 8

1Tamin'ny taona faha-roapolo nanjakàn'i Artakserksesa, volana Nisàna, raha ilay nisakafo iny indrindra ny amperôra, dia naka divay aho ka nandroso azy taminy. Vao izay aho no mba nalahelo teo anatrehan'ny amperôra 2ka hoy izy tamiko:
–Nahoana no malahelo tarehy ianao, kanefa tsy marary tsinona? Tsy zavatra hafa izao fa alahelom-po mihitsy.

Dia raiki-tahotra mafy aho 3ka niteny tamin'ny amperôra hoe:
–Ho velona mandrakizay anie ianao, ry andriamanjaka! Nahoana no tsy halahelo tarehy aho, fa rava ny tanàna misy ny fasan-drazako sady levon'ny afo ny vavahadiny?

4Dia hoy ny amperôra tamiko:
–Inona àry no angatahinao?

Nivavaka tamin'Andriamanitry ny lanitra* aho aloha, 5vao niteny tamin'ny amperôra hoe:
–Raha sitrakao izany, ry andriamanjaka, ary raha misy fankatelemanao ahy mpanomponao, dia mba alefaso ho any Joda aho, ho any amin'ilay tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako azy.

6Ny amperôra, izay nanana ny vadibeny nipetraka teo anilany, dia mbola nanontany ahy hoe:
–Haharitra fotoana firy any anefa ianao ary rahoviana no hiverina?

Dia sitraky ny amperôra ny handefa ahy, koa nilaza fetr'andro taminy aho 7sady nanampy teny hoe:
–Raha sitrakao, ry andriamanjaka, dia aoka hisy taratasy homena ahy ho an'ireo governoran'ny faritra any andafy andrefan'ny ony Eofrata, mba hamelany ahy handeha hatrany Joda. 8Aoka hisy taratasy homena ahy koa ho an'i Asafa mpiandraikitra ny alam-panjakana mba hanomezany hazo ahy hatao amin'ny varavaran'ny trano fiarovana manolotra ny tempoly* sy amin'ny mandan'ny tanàna ary amin'ny trano hitoerako.

Dia nomen'ny amperôra ahy ireo taratasy ireo, araka ny fiarovana nanambinan'Andriamanitra ahy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12